Paik’ady ny kanosa ilay fomba nisamborana ny Filoha Tale Jeneraly ary tompon’ny gazety « La Gazette de la Grande Ile », Lola Rasoamaharo . Manameloka io fisamborana mpanao gazety io na an-kolaka na mivantana ny mpanao gazety avy amin’ny Federasiona iraisan’ny mpanao gazety eto Madagasikara na FAJM (Fédération des Associations des Journalistes de Madagascar) tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly alatsinainy teny amin’ny Aire du Bypass. Vokatry ny fisamborana ny alin’ny zoma nifoha ny sabotsy 25 marsta tamin’ny iray ora maraina, dia mametraka ahiahy ny FAJM fa mety hitarika amin’ny fanakatonana ny orinasan-gazety sy ny fanampenam-bava ny fanohintohinana na an-kolaka na mivantana. Mihatery ny fahalalahana maneho hevitra amin’ny ho fiatraikan’izao zava-misy izao, hoy ity federasioan’ny mpanao gazety ity.
Ny ady hevitra re etsy sy eroa koa dia mampanahy ny hisian’ny dian-tanana politika ao ambadik’izao raharaha izao. Hanjaka eto indray ny an-kivy atao amin’ny orinasan-gazety sy ny mpanao gazety. Toa manangasanga ny fampihorohorona sy ny ramatahora avy amin’ny mpitondra mahefa ankehitriny. Arak’izany, dia hihen-danja ny fisitrahan’ny olompirenena tsy an-kanavaka hanjohy ny vaovao mitranga eto.
Raha ny fanambarana nataon’ilay Brigitte Razaka farany teo , izay mitory tsy misy porofo hatreto dia tsy misy idiran’ny asa fanaovan-gazety no anenjehana an’i Lola Rasoamaharo.
Koa manamafy izany ny FAJM fa tsy mitsabaka amin’ny fandraisana an-tanan’ny fitsarana ity raharahan’ny Filoha Tale jeneraly Lola Rasoamaharo tompon’ny orinasa an-gazety « La Gazette de la Grande Ile » ity ny fikambanana fa manamarika ny zavatra tsinjony ihany.
Noho izany, mijoro ary hanaramaso amin’ny an-tsipirihany ny fivoaran’ny toe-draharaha ny federasiona iraisan’ny mpanao gazety eto Madagasikara sy ny olompirenena eto an-tanindrazana sy ny any am-pitan-dranomasina.