Voasazy eny am-ponja, efa ho heritaona izao ingahy Razefa. Tamin’ny voalohany dia niresaka tamin’ny mpiambina izy :
– Mba miera kely aho, tompoko, mba hitanin’andro kely esty ivelany etsy, fa tena ngoly ny tongotro !
– Mandehana e !
… Ny ampitso :
– Mba miera kely aho Sefo, fa tena hoatry ny tena te-hifoka sigara, ka mba hividy sigara etsy ivelany etsy !
– Mandehana, dia mba itondray mofo gasy roa aho !
… Afaka herinandro :
– Mba miera kely aho Sefo, mba han … dositra !
– Mandeh … Non ! Non ! Non … Miditra ialahy !
– ???