Enina ambin’ny fitom-polo taona izao ny tolona fanafahana nitakian’ny tia tanindrazana Malagasy (nasionaliste) MDRM (mouvement démocratique pour la rénovation de Madagasikara). Nitambaran’ny Malagasy maro amin’ny fiadiana ny fahaleovantenam-pirenena izay nozanahan’ny fanjakana frantsay nanomboka ny taona 1896 ka hatramin’ny taona 1960. Nahatratra 89 000 mahery ny Malagasy maty ary tsy tambo isaina intsony ny olona nigadra sy ny naratra ary nitondra takaitra. Tsy vitsy koa ny olona nandeha nandositra tany anaty ala.
Ankalazaina isakin’ny 29 martsa ny fahatsiarovana izany. Malagasy mahantra ankehitriny no mankalaza izany. Fahasambarana sy fiadanana ary fandrosoanana no nandrasana nefa dia mbola voa mafy noho ny fiainana tamin’ny fanjanahan-tany aza ny zavatra iainana amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny nandohalika ny firenena ankehitriny fa efa mandady tanteraka. Tsy misy intsony izany tia tanindrazana izany fa mpanao politika mpangoro-karena no misy eto amin’ny firenena. Izany no ilo miampita ankehitriny ka mamolavola mpanao taranaka mpanao bizina sy mpangalatra ary mpandroba. Tena tolom-panafahana very maina sy nandamoka iny aloha hatramin’izao. Maty antoka ireo ray aman-dreny izay nitolona tamin’ireny fotoana ireny satria potika ny firenena ankehitriny rehefa nahazo fahaleovan-tena ny Malagasy.