Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

IRD : Toa tsy hanao fifidianana fa mbola miady an-trano

La gazette de la grande île
06/05/20232 minute read

Efa manantena fandresena amin’ny fifidianana ve ny IRD ka mbola ilaozana miady an-trano no ataon’ireo sokajin’olona ao amin’ity fikambanana sy antoko politika manohana ny fitondrana ankehitriny ity?  Tsy vitsy ny depiote no nivadika ankehitriny tao amin’ny IRD  ka nandeha nankany amin’ny kandida mpifaninana amin’ny fitondrana. Tany Ikongo, tany Mananjary, tany Toliary,   dia nanehoan’izy ireo ny fivadihana nataony amin’ny antoko nahalany azy. Mandeha dia mandeha ny resaka fa nomena vola 20 millions ariary izy ireny.

Tsy ireo ihany fa ny mpikambana tsotra koa dia toa izany. ohatra akaiky amin’izany ny fifamaliana niendrika ady amin’ny fahitalavitra ataon’ny tale ny kabonetran’ny ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ny vehivavy amin’i Rossy . Tsy ireo ihany fa hatramin’ny tsy fifanarahan’ny depiote sy ireo birao politika isam-paritra dia mbola voizina hatramin’izao fotoana izao. Mahajanga sy Antsiranana no tena ahitana ity ady ity.

Niarahana nahita ny adin’ny filohan’ny antenimierampirenena Razanamahasoa Christine sy ingahy Kaleta ireny izay mpanolotsainan’ny filohan’ny repoblika. Miady sy mifanevateva ao amin’ny onjam-peo sy ny gazety ary ny fahitalavitra dia avy eo mody mifanaraka fa nihavana hono. Ny rano raraka an-tany angaha azo raisina intsony? Be dia be ny fanankinana mandeha amin’ireny raharaha ireny na dia mody mangingina aza. 

Hatramin’izao fotoana izao dia tsy mifankahazo ny mpikambana IRD any amin’ny fokontany sy ny kaominina maro manerana an’i Madagasikara. Be dia be no niala ireo mpitarika fa leo ny fitaka nahazo azy.  

Maro no mieritreritra fa toa tsy hampino ny fisian’ny fifidianana amin’ny volana novambra io raha ny fijerena taratra ny fihetsik’ireo IRD ireo. Ho hitan-tsika ny tohiny fa mampieritreritra ihany ity fihetsikin’ny mpikambana ao amin’ny IRD ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top