Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tafika malagasy : Ratsy endrika ny minisitry ny fiarovam-pirenena

La gazette de la grande île
06/05/20232 minute read

Noraisin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena teny amin’ny toeram-piasany eny Ampahibe ny alatsinainy teo ireo manamboninahitra ambony nakarina galona ho manamboninahitra jeneraly, ary toraka izany koa ireo manamboninahitra jeneraly nasondrotra laharana.

Misy masontsivana hatrany moa ny raharaha toa izao satria tsy misy fitsapam-pahaizana na fanadinana atao fa ny fifantenana arakaraky ny antontan-taratasin’ny tsirairay no hadihadian’ny mpanapa-kevitra. Ny fanao fotsiny dia tolo-kevitra miainga amin’ny lisitra atolotry ny minisitry ny fiarovam-pirenena no andraisana fanapahan-kevitra ny amin’izany.

Ao anatin’io fanondrotana laharam-boninahitra na fampiakarana galona io àry dia misy amin’ireo manamboninahitra ambony eo amin’ny laharan’ny kolonely no naneho ny alahelony, ary ny sasany aza tena tezitra mihitsy, satria tsy vitsy amin’izy ireo no efa folo taona mahery no teo amin’izay laharan’ny « bokotra dimy » na « kolonely » izay nefa dia tsy tafakatra ho jeneraly mihitsy. Ny sasany aza, araka ny fitarainan’izy ireo ihany, dia zandriny lavitra no nisongona azy, nefa tsy nanao fahadisoana mihitsy nandritra ny naha-miaramila azy, ohatra…saingy mety tsy nahay naka ny fon’ny minisitry ny fiarovam-pirenena nifandimby angamba. Misy ireo efa eo ambaravaran’ny taona fisotroan-dronono ankehitriny, nefa dia kolonely hatrany nandritra ny taona maro.  Ny sasany indray, mety zatra naka ny fon’ny minisitra dia tsy nitsahatra niakatra  isaky ny vanim-potoana tokony hisondrotana. Misy koa ireo manamboninahitra jeneraly izay teo amin’ny laharan’ny « général de brigade » (kintana roa) fa tsy mba tafakatra ho « kintana telo » na « général de division »  intsony.

Malahelo ary zary tezitra amin’ny lohandohan’ny mpisorona ao anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny « etamazaoro jeneralin’ny tafika » ry zareo ka misarika ny fisainan’izy ireny hoe « mba samia mijery fitaratra fa ny fahamendrehana dia ny fianakaviamben’ny tafaika  koa mba afaka mitsara fa tsy ny lehibe eo anivon’ny ministera ihany ». Maro amin’ireo manamboninahitra ambony amin’ny laharan’ny kolonely tokoa no ankamamian’ny miaramila amin’ny ankapobeny ny fitondran-tenany, ny fomba fifampitondrany amin’ny tafika, ny fihetsiny andavanandro, ny fahaizany manaja ny soatoavin’ny tafika fa tsy mahay mihatsaravelatsihy, tsy mahay maka sitraka manokana (tsy zatra misolelaka…) nefa dia matetika, izy ireny no mihintsana rehefa misy ny fandefasana lisitra hasondrotra ho manamboninahitra jeneraly.

Samia mieritreritra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top