Araka ny vaovao miala avy amin’ny tandapa ao Iavoloha sy Ambohitsorohitra dia mitady izay fomba rehetra tsy hanaovany ny fametrahana fialana amin’ny maha filohan’ny repoblika azy amin’ny faha 9 Septambra 2023 izao ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Matahotra mafy izy ny fialany io satria tsy matoky intsony ireo namany ao amin’ny Ird (isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina) intsony. Voalohany amin’izany ny filohan’ny antenimieran-doholona Razafimahandry Herimanana izay atahorany mafy ny tsy homba azy intsony. Manaraka izany dia ny tsy fahatokisana intsony ny filohan’ny antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine izay efa matetika no nanao izay tsy hahamarin-toerana ny governemanta Ntsay Christian akehitriny ka nitarika ny depiote hanao ny fanesorana ny praiministra ity amin’ny toerany. Hita ihany koa fa efa misabaka ity ramatoa ity. Efa manakaiky an’i Siteny koa izy. Ny tena olana lehibe ho an’ny Rajoelina dia ny fivadihan’ireo depiote maro niala tao amin’ny Ird. Resaka fihatsarambelatsihy sisa no misy ao anatin’ny antoko mpanohana ny filoham-pirenena ankehitriny fa efa misabaka ny ankamaroan’ny olona niara-dia taminy. Ny mpikambana ao amin’ny Ird dia efa maro koa no niala tamin’ny fanohanana an’i Andry Rajoelina ankehitriny noho ny fahadisoam-panantenana.
Mihamanatona ihany ny fotoana izay tsy maintsy hanaovana fametraham-pialàna amin’ny maha filoham-pirenena na tiana na tsy tiana. Voalazan’ny tandapa miara miasa aminy fa miha kizitina isan’andro izy. Tezitra matetika ary matetika dia miteniteny foana aza. Sahirana mafy ny olona manodidina azy ireo amin’izany.
Fantatra koa fa mieritreritra ny hanala ny filohan’ny sénat amin’ny toerany i Andry Rajoelina ka hosoloina an’ i General Baomba na Ravalomanana Richard i Razafimahefa Herimanana filoha amin’izao fotoana izao. Tsy mitovy hevitra aminy nefa i Ravatomanga Mamy izay mpandraharaha akaiky indrindra fa i Ntsay Christian izay praiminisitra amin’izao fotoana izao no tiany hatao filohan’ny sénat ity. Mandeha dia mandeha koa ny resaka fa i Fierena Richard no hatao Praiministra.
Misavoritaka tanteraka ny raharaha ao an-dapa ao noho izany. Tsy mitovy intsony ny hevitra manodidina ny filoha Andry Rajoelina. Matahotra mafy ny fifidianana ny mpomba ny fanjakana. Tsy azo antoka intsony ny fandresena. Mahatsapa izany tanteraka Andry Rajoelina ka izao mitady hanova praiminisitra sy governemanta ary filohan’ny sénat izao na dia efa atomotra aza ny fifidianana sy ny fotoana tsy maintsy hametrahana fialana raha toa ka mbola mieritreritra ny hofidiana indray. Tena azo lazaina fa manao tsipakin’ny miala aina i Rajoelina eo anatrehan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao indrindra fa ny fifidianana izay azo antoka fa tsy handreseny intsony nohon’ny fahadisoam-panantenana nahazo ny vahoaka malagasy.
Andry Rajoelina : Manao tsipakin’ny miala aina
La gazette de la grande île
15/05/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
318773
Your IP Address: 52.225.75.214
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »