Hoan’ny tantsaha manerana ny nosy dia matahotra sy tezitra avy hatrany izy ireo raha vao naheno tamin’ny filazam-baovao maro isankarazany tamin’ity volana may ity fa hampiditra miaramila miisa 4 000 ny fanjakana amin’ity taona 2023 ity. Raha vao naheno izy ireo fa tsy handray karama sy tsy hatao miaramila raikitra izy ireo fa halefa mody rehefa afaka roa taona dia nandeha ny resaka fa hanomana olona hatao dahalo ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Hangalatra sy hanao asan-jiolahy ary hamono ny malagasy indray.
Hoan’ireo tantsaha ireo dia ny miaramila tsy noraisin ‘ny fanjakana no lehiben’ny dahalo sy manao dahalo manerana ny nosy ireo. Koa na inona na inona no fiheverana sy fanazavana entin’ ny fanjakana dia famerenana sy fanomezana vahana ny asan-dahalo io tetikasa iray io. Satria efa tsy manana asa ny tanora malagasy ankehitriny nefa omena fiofanana hitam-basy sy hahay hiady dia mazava hoazy fa tsy maintsy hampiasainy amin’ny fiainany izany. Ny sehatra hampiasana izany nefa tsy misy raha tsy ny fanaovana asan-dahalo sy asan-jiolahy hatramin’izao. Dia mazava hoazy izany fa hitombo indray ny tahan’ny tsy fandriampahalemana afaka fotoana vitsy. Manaitra ny fitondrampanjakana ny olona mba handinika tsara vao hanao ity raharaha ity soa hitarika loza indray eto amin’ny firenena. Ny faritra maro eto Madagasikara dia mbola miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana tanteraka amin’izao fotoana izao.