Terena hifidy sy hampandany an’i Rajoelina ny mpampianatra amin’ny fanjakana manerana ny nosy amin’izao fotoana izao. Ny minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle no voalaza fa mpanome baiko izany hoan’ireo Dren (talem-paritra miadidy ny fampianarana), sy ireo sefo Cisco any amin’ny distrika. Mitaraina noho izany ny sefo Zap na ireo mpampianatra miadidy ny pedagozia any amin’ny kaominina sy fari-pifidianana pedagozika any ambanivohitra. Manery ireo mpampianatra tompon’andraikitra ireo ny Sempara Nosy na ny sendikan’ ny mpampianatra Nosy izay fitaovana sendikaly ampiasain’ny minisitra Marie Michelle ity.
Eo anatrehan’izany dia maro ny fitarainana avy amin’ny mpanabe manerana ny Nosy noho izany baiko izany. Maro ireo sefo Cisco no nosoloina noho izy ireny izay tsy azo antoka fa afaka hanery ny mpampianatra hampandany an’i Rajoelina amin’ny fifidianana ho avy izao.
Isan’ny miasa mafy moa ity minisitry ny fanabeazana sy ny fampianarana ity amin’ny fampandaniana an’i Rajoelina ho filoham-pirenena malagasy indray satria miady mafy izy ny tsy hampigadra ny reniny izay Ben’ny tanana ao Fianarantsoa ankehitriny, Sahondralalaina izay notazonina vonjimaika am-ponja andro vitsy lasa izao tao Fianarantsoa saingy nahazo fahafahana vonjimaika rehefa avy natao famotorana nohon’ny fanodikodinam-bola marobe tao amin’ny kaominina renivohitra Fianarantsoa ity. Mba hahazoany miaro ny reniny dia fanamby hoan’i Minisitra Marie Michelle no manao izay hampandresy an’i Rajoelina mba hiarovana io reniny io.
Ny tena olana nefa amin’izao fanekena ny mpampianatra hifidy an’i Rajoelina izao dia ny hala-bato any amin’ny tany lavitra andriana any satria ny mpampianatra no mazana manjakazaka any ambanivohitra any. Endrikin’ny hala-bato sy fahefam-panjakana ampiasain’ny fitondrana ankehitriny izao zavatra miseho eo amin’ny fampianarana izao. Ny minisitra Marie Michelle izay nilokaloka fa tsy hanao politika no lasa lehiben’ny mpampianatra hangala-bato izay fahotana goavana eo anatrehan’ny ny firenena ankehitriny. Midika izao fa ho feno halatra ny fifidianana hoavy eo ka ho korontana no tsy maintsy hiafaran’izany.
Minisitra Marie Michelle : Terena handany an’i Rajoelina ny mpampianatra
La gazette de la grande île
17/05/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313480
Your IP Address: 18.189.185.63
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »