Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Mpanohitra fitondrana : Lavina ny hirosoana amin’ny tetezamita

La gazette de la grande île
18/05/20232 minute read

 Mitohy hatrany ny krizy eto amin’ny firenena. Hifarana tsy ho ela koa ny fepotoam-piasan’ny filohampirenena am-perin’asa . Ankehitriny, dia  manda ny mbola hijanonan’ny filoha am-perin’asa sy ny firongony eo amin’ny fitondrana ny antoko politika MMM, tarihan’Ingahy Hajo Andrianainarivelo. Mila mametra-pialana  i Andry Rajoelina ny 9 septambra raha hirotsaka hofidiana. Toy ny rano sy vary Ingahy Hajo Andrianainarivelo sy ny filoha Rajoelina fony tao an-dapa. Nitsipaka an-dRajoelina indray avy eo rehefa lany ny bala rora niarahana. Koa na eo aza anefa ny fizarazaran-kevitra,  na izay tsy fitokisana ny  rafitra mahaleotena misahana  ny fanomanana ny fifidianana (CENI), dia lavin’ny maro ny firosoana amin’ny tetezamita. Ny mpanohitra sy ny mpomba ny fitondrana dia samy manda  ny tetezamita ,ary miombom-peo amin’ny  hampanjariana ny fifidianana…. Saingy tsy hanao lela roa ka miteny hoe: aty ambadika aleo handeha ny fifidianana fa tsy mila tetezamita, aoriana lavina indray ny fanatanterahana izany.  

Etsy andaniny, mifanindran-dalana amin’izany lalàna ny  fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy nofaritan’ny lalàna isaky ny folo taona izay niantomboka ny 1 oktobra 2022. Manarak’izany, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana(CENI) dia mametraka ho zava-dehibe ny hisian’ny fitoniana sy fahandriampahalemana eto amin’ny firenena na aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Raha ny dati-pifidianana  napetraky ny CENI dia ny 9 novambra 2023. Marihana fa hikatona afaka 15 andro ny fisoratana  anarana ataon’ireo olom-pirenena hampidirana anatin’ny lisitry ny mpifidy nasiam-panavaozana, dia ny 31 may 2023 izany. 
Zovy no tsy miaina anaty fampahantrana lavareny mihatra amin’ny fiainam-bahoaka, hoy ny mpanohitra ny fitondrana, ary manohitra koa ny hisian’ny tetezamita. Vokatr’izany, dia miandry ary mitaky amin’ny governemanta Ntsay Christian hamoaka ny datim-pifidianana ofisialy ny rehetra vokatr’izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top