Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Lola Rasoamaharo : Amin’ny zoma 26 May ny didim-pitsarana

La gazette de la grande île
19/05/202359 second read

Anio zoma faha 19 May 2023 no natao tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Anosy ny fitoriana nataon’ny Jirama an’i Lola Rasoamaharo izay tale jeneraly ny la Gazette de la Grande Ile. Tao amin’ny efitrano faha 3 no natao ny fitsarana. Vola mitentina 400 tapitrisa ariary no nolazain’ny Jirama fa tsy naloan’ny Lola Rasoamaharo tamin’ny Jirama tamin’ny taona 2018. Izany dia nolazaina fa tsy naloan’ny la Gazette de la Grande Ile. Izay no antony nanagiazana fitaovana rehetra tao amin’ny trano fanaovan-gazety na ny  » desk  » an’ity orinasa ity.
Nambaran’ny mpisolovava an’i Lola Rasoamaharo fa tsy tale jeneraly ny orinasa ity izy tamin’izany fa filohan’ny filankevitry ny fitantanana ny orinasa ka tsy misy idirany amin’ny fitoriana azy ny raharaha jirama ity na kely aza. Ny tale jeneraly mpitantana ny orinasa no tompon ‘andraikitra tamin’ izany. Faharoa manaraka izany hoy ilay mpisolovava dia raharaha tamin’ny taona 2018 no tsaraina eto. Raha ny lalàna no ampiharina dia efa  » expiré  », izany hoe lany andro ity raharaha ity satria efa telo taona no mihoatra izao. Noho izany dia tokony tsy hanan-kery intsony ny fitoriana satria efa enina taona aty aoriana.
Ny zoma faha 26 May 2023 izany no hivoaka ny didim-pitsarana amin’ity raharaha ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top