Katroka tamin’ny 4 jona 2023 lasa teo ny faha-50 taona ny nanatanterahana ny fifanaovan-tsonia momba ny fiaraha-miasa “Accords de Coopération” teo amin’ny Madagasikara sy Frantsa. Izany fanavaozam-piaraha-miasa izany dia fehin-kevitry ny zaikabem-pirenena tamin’ny 1972. Isan’ny endrika nisongadina tao anatin’izany ny fialan’ny tafika frantsay teto Madagasikara, dia ny tany Antsiranana sy ny teny Ivato. Teo koa ny fialan’i Madagasikara tamin’ny faribola Farantsa (zone franc) ka nananganana ny Banky Foibe Madagasikara sy ny maro isan-karazany. Raha ny tokony izy dia ny hetsika raharaha 72 no tokony nanamarika ity faha -50 taona ny fifanaovan-tsonia ity, saingy nosavihan’ny zanaky ny Amiraly Ratsiraka izany ny faran’ny herinandro teo. Marihana etoana fa ny tantaram-pirenena nitranga teto dia nitaky ny fahaleovan-tena mari-pototra tokony sitrahan’ny firenena Malagasy. Tanjona amin’izany ny hampamiratra ny atao hoe fiandrianam-pirenena. Tsy izany anefa no zava-misy mandrak’ankehitriny fa toa miha mandrorona raha ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika. Porofon’izany ny fampahantrana ny Malagasy eto amin’ny taniny, ny fibakoavana ny harem-pirenena ka ambany ny tahan’ny isan-jaton’ny vola mirotsaka any amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Eo koa ny mbola fiankinan-doha tanteraka amin’ny Lafrantsa sy ny firenena hafa. Tsy midika izany fa tsy mahasoa ny fiaraha-miasa amin’ny firenena vahiny, fa ilaina kosa ny mamaritra drafitra maty paika dia ny tsy tokony hiankinan-doha intsony amin’ny any ivelany.
Hankalaza ny 63 taona i Madagasikara afaka 21 andro izay entina milaza fa mahaleotena ity firenena Malagasy ity. Sari-tsarim-pahaleovantena no tsikaritra any anaty rafim-pitantana rehetra any. Lasa angady tsy mahatapak’ahitra ny fitondram-panjakana Malagasy ka voafatotry ny fifanavaon-tsoniam-piaraha-miasa mandritra ny taona maro mifandimby. Hiandry vahiny hampandroso sy handamina isaky ny misy ny olana ara-politika ataon’ny mpilalao politika eto amintsika. Koa nahoana raha ny samy Malagasy ihany no mifamatotra sy mifanao dina ary velirano eto Madagasikara, dia hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra ny malagasy araka ny ventin’ny hiram-pirenena. Ny vahoaka no andriamanjaka sa ny mpitondra fanjakana tao anatin’izay 50 taona sy ny 63 taona aty aoriana?