Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Jirama / Lola Rasoamaharo : Maty paik’andro ny fitoriana

La gazette de la grande île
09/06/20232 minute read

Isan’ny raharaha nifandaharana teo anoloan’ny fitsarana teny Anosy teo amin’ny Jirama sy Lola Rasoamaharo ny faha-6 Jona teo ny fitorian’ny Jirama ity mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny gazety ity. Notorian’ny Jirama ho nangalatra  herin’aratra ny orin’asa fanontana printy ny la Gazette de la Grande ile eny Tanjombato. Tranga izay notsindrian’ny Jirama fa tamin’ny 2018. Teo dia nitaky ny mpiaro an-dRasoamaharo Lola fa « Telo taona ny fe-potoana nofaritan’ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka hahafahana manenjika olona iray amin’ny raharahan-keloka tsotra. Efa nihoatran’ny telo taona raha io tamin’ny 2018 ; hoy ny mpiaro an-dRasoamaharo; ka maty paika andro izany.

Tsy nijanona tamin’izany ny mpiaro mpisolovava an-dRasoamaharo fa nanipika koa ny amin’ny vontoatin-draharaha raha sanatriavin’ny vava ka hikimpian’ny fitsarana ny paika andro nambara teo. Tompona ampahana petra-bola na « actionnaire » i Lola Rasoamaharo fa tsy mpitantana (gérant na directeur), hoy ny mpiaro mpisolovava azy. Noho izany, tsy tompon’andraikitra ara-keloka (responsable pénalement) amin’ny fitantanana ny orin’asa ny tompon’ny petra-bola ao amin’ilay orin’asa. Manana tompon’andraikitra amin’izany, dia ny mpitantana azy (gérant na directeur) ny vondrom-barotra amin’ny maha-« personne morale » azy ; hoy hatrany ny fiarovana . Ny vadin-tany koa anefa, teo anilan’izay ; hoy hatrany ny mpiaro mpisolovava an-dRasoamaharo dia efa nametraka ny fitanana an-tsoratry ny fitsirihana nataony teny an-toerana fa tsy nisy ny halatra herin’aratra satria milina mpamokatra herin’aratra na “groupe électrogène manokana no niantoka ny herin’aratra ampiasan’ny orin’asa mpanonta printy La Gazette de la Grande Ile.

Andrasana ny faha-13 may ho avy izao ny didim-pitsarana.

Fa ny afaka ampitson’ny talata 6 jona teo; izany hoe ny alakamisy 8 jona  dia fitsarana hafa indray no nitorian’ny Jirama an-dRasoamaharo Lola teny amin’ny Fitsarana, dia ny raharaha momba ny hoe “tsy nandoavan’ny La Gazette de la Grande ile ny sandan’ny faktioran’ny Jirama”. Hivoaka amin’ny faha -22 jona 2023 koa ny didim-pitsarana momba an’io.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top