Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Renivohitr’i Madagasikara : Anaran-tsy very sisa  Antananarivo

La gazette de la grande île
13/06/20232 minute read

Kobaka am-bava ny veliranon’Iarivo momba ny seho eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara, Antananarivo izany. Lasa anaran-tsy very sisa ankehitriny ny anarana maha-Renivohitr’i Madagasikara an’Antananarivo, satria tsy tazana intsony ny fahadiovan’ny tanàna, eny fa na ny endriky ny tanàna aza.

Mitovy hatrany ny fomba amam-panao, ny olana miseho eo amin’ny mpitondra foibe sy ny mpitantana ny tanàna. Nilokaloka avokoa izay rehetra nandalo teo fa hamerina ny  hasin’ny tanànan’Antananarivo . Indrisy ! Anisan’izany ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny, Naina Andriantsitohaina izay nanambara fa hitondra ny fanatsarana an’Antananarivo, amin’ny maha-Renivohitr’i Madagasikara azy. Eo amin’ny lafiny fahadiovan’ny tanàna dia mivangongo izay tsy izy ny fakon’Antananarivo sy ny manodidina na andro na alina. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fanesorana ny fako eto Antananarivo ara-potoana. Mifanohitra amin’izany ny velirano satria mivangongo eran’ny arabe ny fako. Raha mandalo eny amin’ny 67 ha manakaiky ny fiangonana Jesosy Mamonjy dia efa lalan-tokana sisa no andehanan’ny fiara mifamezivezy. Ny etsy Ambodin’Isotry, Ambondrona….Ankilany, ny fahapotehan’ny lalana manerana an’Antananarivo sy ny manodidina, izay mampikolay ny mpampiasa lalana rehetra eto. Manontany tena moa ity farany hoe mankaiza daholo ny hetra takian’ny kaominina mandritra ny fotoam-pitantanana izay? Hifarana amin’ny taona ho avy io koa ny fepotoam-piasan’Ingahy Naina Andriantsitohaina. Enga anie ny Ben’ny tanàna hisolo azy mba hanonitra ka hamerina amin’ny laoniny ny hasin’Antananarivo. Ka hisongadina amin’ny maha Renivohitr’i Madagasikara azy fahizay tokoa Antananarivo, ary tsy ho anaran-tsy very intsony.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top