Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Antoko Madio : Tsy tokony frantsay no hisafo ny miaramila malagasy ny 26 Jona 2023

La gazette de la grande île
20/06/202338 second read

Nanao fanambarana teny amin’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza androany faha 19 Jona 2023 ny antoko Madio izay notarihin’ny filohany Rakotoarisoa Faniry Albania tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety.
Nohamafisiny tamin’ny fanambarana nataony fa frantsay ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina araka ny efa nambarany ombieny,ary voaporofo izany ankehitriny. Voararan’ny lalam-panorenana izany ao amin’ny andininy faha 131. Lazainy fa famadihana tanindrazana, fandikana bevava ny lalam-panorenana koa. Noho izany dia mangataka ny fampiharana ny lalana noho izany ity antoko ity ka manainga ny antenimieram-pirenena sy ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalàmpanorenana handray ny andraikiny haingana mba hiarovana ny hasin’ny firenena sy ny fiandrianany. Zava-doza hoan’ny firenena raha toa ka frantsay toa an’i Andry Nirina Rajoelina no hisafo ny miaramila Malagasy hoy hatrany Rakotoarisoa Faniry Alban.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top