Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Hoatry ny nosoratan’i Jean Narivony ho an’i Rajoelina Vazaha mihitsy ity tononkalo ity!

La gazette de la grande île
20/06/202342 second read
Rajoelina, Rajakom-bazaha!

RAJAKOM-BAZAHA (Jean NARIVONY)

Jereo ity Rajako fa hoe lasa ambony
Ka tsy mba miharo amin’ ny namany intsony
Niofo ka tonga Vazaha lehibe
Fa efa mandroso, na sivilize!
Nomem-pataloha sy satro-baonetra,
akanjo jaby na didy jaketra;
Ny salotra anatiny asiam-pehitenda
Sy kaolina henjana mila hahakenda.
Mahazo latabatra fisakafoana,
Mampidin-divay ho rano sotroina,
Mifoka sigara rehefa mba voky,
Mamela-gazety, manokatra boky,
Mivimbina tehina nony mamindra,
Manao solomaso ka fatratra indrindra.
Dia jenitra i Jako fa « tsara tarehy »;
Ataony ho dera ny akora sy ny hehy!
Ny tompony izany dia mody mandoka
Kanefa ao anatiny dia manafoka!

Mba inona isika izay be fakan-tahaka,
Mangilatra ivelany toa voronkahaka?
Fiteny sy fomba nadika avokoa
Fa ny an’ ny tena… »valalan’amboa! »
– Aleoko manandratra izay nentin-drazana
Na dia mavomavo sy vitsy mpitazana,
Toy izay kevokevoka maro mpizaha
Kanefa fosaina: Rajakom-bazaha.

Jean NARIVONY (1898-1980)
(Amboaran-tononkalo, tak. 175)
Partager cette article
Articles connexes
Back To Top