Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fizakana zom-pirenena : Mariky ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany

La gazette de la grande île
22/06/20232 minute read

Tsy ahitana fampandrosoana mipaka eny amin’ny isan-tokantrano ny fiankinan-doha amin’ny mpampanjana-bola iraisam-pirenena. Ampatsiahivina fa ny La Gazette de la Grande Ile no nampipoaka an’ity resaka fizakana zom-pirenena sadasada nataon-dRajoelina Gasy tapany ity. Nahabe resaka tao anatin’ny herinandro mahery izay izy io satria manamarika ny fitarafana ny toetsain’ny olona iray mizaka ilay zom-pirenena vahiny izany . Io fizakana zom-pirenena vahiny io mantsy ho an’ny tsirairay mitady azy dia samy manana ny tanjony, Tokony ho mira zotra amin’ny fiarovana ny tombotsoa ho an’ny firenen’ny tena ny paik’ady amin’izany .

Mifanohitra amin’ny fiarovana ny zo aman-kasin’ity firenena malagasy ity anefa matetika ny tarigetran’ny Malagasy mangataka hizaka zom-pirenena vahiny hafa. Porofon’izany ny fanjakazakan’ny vahiny eto amin’ny tontolon’ny toekarena , indrindra amin’ny harem-pirenena mitobaka etsy sy eroa.

Samy naneho hevitra avokoa ny mpanao politika sy ny olom-pirenena tsirairay na teny amin’ny fahitalavitra na tamin’ny haino vaky jery momba ,y filoha Rajoelina nahazo ny fizakana ny zom-pirenena frantsay. Ny olompirenena sasany dia nanameloka an-dRajoelina ho mpamadika ny tanindrazana noho izany. Ny mpomba an-dRajoelina kosa dia nandrirotra tamin’ny fiarovana azy satria hoe filohampirenena lanim-bahoaka ara-pomba demokratika ,ary samy miseho ho havanana amin’ny famaritana ny lalàna. Ankilany ny mpanohitra milalao politika koa dia mitaky ny fametraham-pialany avy hatrany, ary tsy manaiky ny hilatsahany amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy.

Manoloana ny savorovoro momba io fizaka-manana zom-pirenena vahiny io dia manitikitika ny sain’ny olona sasany ny hoe “nahoana no afaka nirotsaka nofidiana Rajoelina tamin’ny 2018?”. Taratry ny tsikombakomba teo amin’ny filohan’ny HCC teo aloha , Jean Eric Rakotoarisoa koa; hoy ny olompirenena sy ny mpilalao politika namaky bantsilana io tranga io ny fahanginana.

Ny hita hatrizay dia saika nizaka ny zom-pirenena vahiny koa ny mpitondra sasany teo aloha teto ary na ny tsy nizaka afa-tsy ny zom-pirenena Malagasy aza, mba nanana ny toe-tsaina tsy miankin-doha amin’ny any ivelany ve izy ireny? Io no fototry ny olana ka samia mieritreritra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top