Tena ao antin’ny mangidy isika. Aoka izay ny fivarotana tantely nefa mividy sakay ity. Mivarotra ny mamy ho an’ireo izay nanao politika maloto ny Malagasy, nefa mividy ny mangidy ho an’ ny tenany. Manome toky ny Mpitondra nefa tsy manatanteraka. Fotoana izao hikarohana ny mamy amin’izay. Rehefa ny mpitondra no tia marina any ity Tanindrazana malala antsika ity dia ho sambatra avokoa ny malagasy. Ny fitiavanay anao ry Madagasikara tsy miala, fa ho anao ho doria tokoa!
Tamin’ny taona 1960, dia ny fifaliana sy ny fitiavan-tanindrazana no nasehon’ny Malagasy rehetra nandritra ny volana Jona sady volana ny fety sy firavoravoana ihany koa. Voa nanomboka ny fiandohan’ny volana jona 1960, dia nandravaka ny tokantrano malagasy rehetra ny sainam-pirenena « Fotsy Mena Maitso », ho fampatsiahivana fa ho tonga ny andron’ny fandresena ary velona ny fanantenana vaovao. Ny foara sy ny lalao no maresaka teny an-dalambe rehetra teny, nanakoako teny rehetra teny ny olona nanao matso nitondra fanilo sy afomanga. Ho tonga amin’izay ny fahaleovantena eh! Ho sambatra isika eh!
Ny 25 jona 1960 hariva dia noroahin’ny Malagasy ny haizin’ny alina maizina , izay “mitovitovy amin’ny fanjanahantany” mba hampanjaka ny herin’ny mazava. Ho an’ny ankizy dia fetin’ny harendrina, ny tsipoapoaka. Nidina an-dalambe ny rehetra, na ray aman-dreny na zanaka, nitafy ilay harendrina malaza, nitsoka ny hira miaraka aminy hoe: « harendrina taratasy ô, harendrina taratasy ô, may, may, may… amin’ny hazavana ».. Ny afo sy ny fahazavany dia nanala ny fanahy ratsy amin’ny fanjanahantany ary nanazava ny fahatongavan’ny androny 26 Jona 1960 . Ny ankamaroan’ny Malagasy, tena tia tanindrazana, dia naniry hatrany ny hanamarihana ny 26 jona ao am-pony sy ao an-tsainy ho hetsika lehibe hanehoana ny fanajana noho ireo “lehilahy” mpanafaka azy ireo amin’ny fahefana ivelany.
Ankehitriny miha mangidy ny fiatrehana ny fetin’ny fahaleovantena 26 jona 2023 ity ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy. Viravirain’ny firenenna matanjaka fotsiny ireo mpanao politika mitondra. Indrisy, ny Filohan’ ny Malagasy Andry Rajoelina ankehitiny aza manana zo feno maha olom-pirenena frantsay azy. Noho izany, sarotra amin’ny Malagasy ny mino fa hiantoka tanteraka fiaraha-monina madio tsy misy tomika ho any ny Malagasy Atoa Andry Rajoelina.
Mahantra ny Malagasy, Kamboty tsy manana Ray amandreny izay hiaro marina sy feno ny zony. Ilay sambo malala ntsika » Madagasikara » dia mirenireny amin’ny ranomasiben’ny fitsapatsapana, ny fahadisoana sy ny loza mamoa fady mety aterakin’ny mpitondra Malagasy manana zo frantsay. Ny vokany hita maso aloa dia izao: Tsy misy fitoniana ny fiainam-pirenena. Very fanahy mbola velona amin’ny fahasahiranan’ny fiainana ny maro ka mahita ny hoaviny mihamaizina hatrany. Very hasina tanteraka ny Malagasy raha mbola mitohy izao!
Ny fiverimberenan’ny fanao ratsy eo amin’ny fitondrana ny Firenenena sy nivokany eo anivony ny fiaramonina dia ny fitondran-tena ratsy izay fototry ny fanabeazana ratsy ho an’ny olona sy ny ampahany betsaka amin’ny tanora malagasy dia sy miteraka ny tsy famarinan-toerana ny tanindrazan-tsika sady mitondra ny tsy fandriampalemana. Fotoana izao hampiarana mafy mafy koakoa ny kolontsaina malagasy:ny Fanahy tsara, ny fahamarinana sy ny fiavanana. Izay ny lalana tokana hiatrehana ny zava misy ankehitriny sy hirosoana any amin’ ny fiadanana maharitra. Kihon-dalana lehibe ho an’ny Malagasy izao faha 16 jona 2023 izao. Mila mpanao politika Malagasy, matotra , mananan-kevitra sy tarigetra ambony toa ireo Malagasy tia tanindrazana niady ho amin’ny fahafahan’ ny Malagasy. Malagasy feno fa tsy Malagasy tapany.
Tonga izao ny fotoana ho fametrahana fitsipika mangarahara sy ny fandrindrana tsara ny hetsika ho an’ny tombotsoa iombonana ny Malagasy mba hampandehanana tsara ny toe-drarampirenena ao anatiny fandriampalemana maharitra. Izany dia tokony hatao indrindra indrindra amin’ izao fotoana fanomanana fifidianana filoha pirenenna izao.
Amin’izao fotoana izao, ny andrasan’ny ankamaroan’ny Malagasy dia ny fanatsarana ny farim-piainana, ny fisian’ny asa, ny fahitana sakafo mora sy azo antoka, ny fisian’ ny fampianarana manaram-penitra maimaipoana ho an’ny zanany ary ny fisian’ ny tombim- pahasalamana hitsabona sy ahazona fanafody takatry ny vola eo ampelatanany. Fotoana izao hifampihainona; fotoana izao hifampiresahina ary fotoana izao hifanaja, indrindra indrindra hanajana ny zo any Malagasy mpiray tanindrazana. Ny fanantanterahana fifidianana madio eken’ ny rehetra no miantoka ny fitonian’ny firenena mba hahafahan’ny rehetra hanorina, hiasa madio, hamboly ary hamokatra bebe kokoa sy tsara ampilaminana indray. Izany fitonian’ ny firenena izany dia hanamora ny fanatanterahana ireo zavatra handrasan’ ny malagasy maro an’ isa voalaza eo ambony ireo. Izany fitonian’ny firenena izany dia hanome ny anjara masoandro any ireo Malagasy mahantra maro an’isa.
Madagasikara any Malagasy, Masina ary tsy amidy. Dia ho hiadanana sy ho finaritra ary ho sambatra tokoa anie ny Malagasy rehetra.
Soava tsara , Mitomboa Hasina ry Malagasy mpiray tanindrazana.