Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ry Anambavy sy Ralahaly, « Tandroka aro ny vozina », fotoana izao hampiseona ny foto-kevitra ijoronareo, dia ny  » Ho an’ny Tanindrazana »

La gazette de la grande île
23/06/20232 minute read

Amin’izao akatokin’ny fankalazana ny fety ny 26 jona, fetin’ny foloalindahy sy ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena izao sy manoloana ny fananan’ny ny Filohan’ny Repoblika Malagasy zòm-pirenena Frantsay dia mandalo fotoana sarotra ny firenena. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka Malagasy; very fanahy mbola velona. Sarotra amin’ny Malagasy ny mbola ho mino fa hiantoka tanteraka fiaraha-monina madio tsy misy tomika ho any ny Malagasy Atoa Andry Rajoelina. Mahantra ny Malagasy, Kamboty tsy manana Ray amandreny izay hiaro marina sy feno ny zony.

Ny Filohan’ny Repoblika no miantoka ny fiarovana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena na anatiny na ivelany. Izy no Komandy faratampony’ny Foloalindahy araka ny lalàm-panorenan’i Madagasikara .

Indrisy anefa, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry Rajoelina, Komandy faratampony’ny Foloalindahy arakin’ny lalampanorenana ny Madagasikara dia nataon’ ny Firenena Frantsay “Naturalisation » frantsay ny 19 Novembre 2014 ary nivoaka tamin’ny Journal Officiel Frantsay ny 21 Novembre 2014. Izany hoe manana zo feno maha olom-pirenena frantsay azy.

Voa hitsakitsaka ny hasin’ny Tanindrazany ntsika, Voa hitsakitska ny fiandrianam-pirenena. Tsy misy ny maha firenena maleotenana any Madagasikara intsony, izay neken’ny « Charte de Nations Unies » ho hisy sy hahalehontena. Voa hitsakitsaka ny hasin’ny ny foloalindahy izay tokony mijoro miaro ny fiandrianam-pirenena sy izany fahaleovantenan’i Madagasikara izany.

Fotoana izao Ry Anambavy sy Ralahaly « Tandroka aro ny vozina » sy Mpiray tanindrazana, hijoroana sy hahasahiana, fa ny Tanindrazana no aloha sy ambony ny zavatra rehetra ho anareo Foloalindahy, Tanindrazana izay efa namonoan’ireo ray amandreny ny ainy tamin’ ny ady ho any faleovatenan-tsika mba hiadanan’ny ambany lanitra.

Masina ny Tanindrazana. Mahereza, Soava tsara.

Mitomboa Hasina ry Anambavy sy Ralahaly « Tandroka aro ny vozina ».

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top