Anio alarobia faha 28 Jona 2023 no tokony hanao tatitra amin’ny depiote ary hamaly ny fanontanian’izy ireo mahakasika ny asa nataony sy ny asa tsy vitany ary handray koa ny hetahetan’ny vahoaka ny mpikambana ao amin’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Fihaonana faha telo tsy tanteraka io teo amin’ny roa tonta tamin’ny fotoam-pivoriana ity.
Tsy izany nefa no zava-misy fa fandravana ny biraon’ny antenimieram-pirenena tarihin’i Razanamahasoa Christine no feo mandeha hatramin’izao. Maro ny depiote no miandany amin’izany.
Tamin’ny herinandro alohan’ny 26 Jona 2023 iny no efa resaka mandeha ny amin’ny fanantanterahana izany raha ny fanarahana ny vaovao eny Tsimbazaza any. Dia ho hitantsika manomboka androany alakamisy faha 29 Jona ny fivoaran’ny raharaha Ity satria ho tanterahana alohan’ny firavan’ny fotoana fivoriana izany. Ny zoma izao no hifarana ny fivoriana atao ny depiote ity ka dia ho hitantsika ny fiafarany. Mafanafana ny rivotra politika ao amin’ny Antenimieram-pirenena ao ka ho hitantsika ny tohiny.