Tamin’ny alakamisy faha 6 Jolay 2023 no nandray ny asany ny tale jeneraly vaovaon’ny Cnaps Ramatoa Vonifanja Harinaivo Ranivoharisoa.
Tsy nampihemotra ny fitakian’ny mpiasan’ny Cnaps nefa izany fa mitohy ny grevy ataon’izy ireo amin’ny famoahana ny tale jeneraly mpisolo toerana teo aloha Tsaboto Jocelyna izay nampidirana am-ponja vovo maika noho ny antony tsy mazava loatra hoy ireo mpiasa sy ny sendikà miara-dia aminy eto amin’ny firenena. Anio 10 Jolay 2023 dia mbola nitokona ireo mpiasa ireo mitaky ny mangarahara sy ny marina amin’ny raharaha ity. Ny zanakin’ny faritra avy any atsimo atsinanana koa dia mitaky ny fivoahan’ny zanany izay lazain’izy ireo fa tsy diso amin’ny fanagadrana azy izao.
Ny mpamakafaka ny raharaham-pirenena dia mahita fa efa miroso any amin’ny fampiasana hery sy didiko fe lehibe ny fanjakana ka mizotra amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy sy ny jadona.
Tafiditra ao anaty pataloha tery ity tale jeneralin’ny Cnaps vaovao ity ka hita fa tena sahirana mafy. Ho hitan-tsika eo ihany ny tohiny satria tsy hatao tantely afa-drakotra ny volan’ny Cnaps hoy ireo mpiasa sy sendikà ary ireo olona maro izay mizaka ny zony ao amin’ny orinasam-panjakana ity.
Cnaps: Sahirana ny DG vaovao Vonifanja Harinala
La gazette de la grande île
10/07/2023•54 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313162
Your IP Address: 3.12.148.180
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »