Tena tsy faly amin’i Andry Nirina Rajoelina ny vahoaka maro ao Mahajanga ao. Ny herinandro lasa teo iny izay nanaovana ny fanompoambe izay fanaon’ny Sakalava ao Boeny amin’ny Fitampoha momba ny fampandroana an’Andriamisara efa-dahy. Vahoaka aman’alina no tonga mamonjy izany isan-taona avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Misy hatramin’ny Vazaha sy Kaomoro anina koa tonga manatrika izany.
Nandritra ny fotoana izay nipetrahana tany tao anatin’ny herinandro dia tapaka matetika ny jiron’ny Jirama. Maharitra hatrany amin’ny adiny dimy izany fahatapahana izany raha kely indrindra. Ao anatin’ny iray andro nefa dia tapaka in-telo raha kely indrindra ny jiron’ny Jirama. Tena tsy faly ny olona ary dia mamoaka teny sady mivoaka ny trano izy ireo fa amin’ny fifidianana mifankahita amin’i Rajoelina. Potika ny fihariana rehetra any an-toerana noho izany. Mirongatra izay tsy izy ny halatra sy ny vakitrano ary ny vono olona. Tsy azo itsangatsanganana hariva intsony any amin’ny moron-dranomasina.
Delestazy ao Mahajanga: Amin’ny fifidianana no hifankahita
La gazette de la grande île
10/07/2023•43 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313137
Your IP Address: 18.226.17.251
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »