Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fampianarana: Feno kolikoly ny fanadinam-panjakana

La gazette de la grande île
13/07/20233 minute read

Mitaraina mafy ity mpampianatra ao amin’ny sekoly fanofanana ho mpampihatra ao Amoron’i Mania ity fa feno hosoka sy kolikoly ny fandraisana mpianatra ho mpampianatra ao amin’ny sekoly fanofanana mpampianatra ao Ambositra. Mpampianatra hampianatra any amin’ny sekoly EPP sy CEG izy ireo. Nidina ambany dia ambany ny fahaizan’izy mpiofana ankehitriny hoy hatrany ity mpampiofana ity. Toa tsy manana ny farimpahaizana takiana amin’ny fifaninana hidirana ho mpampianatra mihitsy ny ankamaroan’ny olona afaka. Ny azo antoka dia manana ny diplaoma ny Bacc izy ireo saingy tena tsy manana ny fahaizana sahaza izany diplaoma izany velively. Na dia kilasy faha 4 sy faha 5 aza tsy toa izany fa ambany dia ambany ny, « niveau » hoy ny fitenenana. Tsy azo lavina fa tena kolikoly no nahatafiditra ny maro amin’izany. Aiza hoy ity mampianatra ity ny Bianco?
Ny tany Mahajanga tao amin’ny sekoly fanofanana ho mpampianatra ao Mahabibo koa no tena loza. Tena voalaza fa 1 million ariary ka hatramin’ny 2 millions ariary no kolikoly ao amin’ny sekoly ity amin’ny fandraisana mpampianatra hiofana ao. Tena resaka maloto hoy hatrany ny olona mahafantatra.
Tsy ny mpampianatra hofaina ihany no anaovana kolikoly amin’ny fanadinana ankehitriny fa hatramin’ny CEPE sy ny BEPC koa. Ity faharoa ity no tena ahitana be dia be amin’izany. Ny mpampianatra sy ireo mpanadina mihitsy no tompon’andraikitra amin’izay amin’izao fotoana izao. Distrika maro no andrenesana izany kolikoly izany. Iray hetsy ariary dia mahazo diplaoma sy ivarotana ny laza adina amin’ny fanadihadiana. Ny tena mahagaga dia ny ray aman-dreny ny mpianatra mihitsy no mirobolant amin’ny raharaha ity. Faly manenjika diplaoma fotsiny fa tsy miraharaha izay vokatra ratsiny any. Samy mamosavy ny zaza na ilay mpampianatra na ny ray aman-dreny ankehitriny. Nalaza be ny fivarotana laza adina tany Mahajanga tamin’ny fanadihadiana BEPC 2l023 teo. Matetika dia toa izany foana koa ny any Marovoay sy Ambato-Boeny ary Tsaratanana sy Besalampy isan-taona hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tena potika ny fampianarana hoy ity olona ity. Ny any Amoron’i Mania dia ny distrika efatra dia ahitana kolikoly avokoa ny fanadinam-panjakana rehetra. Efa nisy ny nigadra ireo mpampianatra roa tao na lasa izay nefa dia mbola mitohy hatrany ity fomba ratsy ataon’ny mpampianatra ity tamin’ny fanadinana farany teo.
Tsy ny BEPC sy ny CEPE ihany no ahitana izao kolikoly izao fa hatrany ny BACC. Mitohy hatrany amin’ny Oniversite ity raharaha ity. Marobe ny porofo azo lazaina amin ‘izany.
Potika ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara. Tsy mahagaga raha potika toa izao ny firenena satria feno kolikoly avokoa ny zavatra rehetra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top