Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fihaonambem-paritra FFKM: Nandray anjara ny mpomba an’i Rajoelina

La gazette de la grande île
13/07/20232 minute read

Ny talata teo faha 11 Jolay 2023 no nanomboka ny Fihaonambem-paritra izay karakarain’ny FFKM na ny fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara ato amin’ny faritanin’i Antananarivo. Ao amin’ny fiangonana Ambatovinaky no anatanterahana izany. Mahatratra 115 ny mpandray anjara amin’izany. Ny antoko politika, ny fiaraha-monim-pirenena ary koa ny olom-piangonana sy ny fikambanana tsotra maro no mpandray anjara. Miisa 33 ireo fikambanana tsotra ireo. Mbola hitohy ny alakamisy izao ny fivoriana.
Hoan’ny FFKM dia milaza izy ireo fa ilaina ny fifampidinihana eo anatrehan’ny fiatrehana ny fifidianana izay hatao. Mikorontana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena ka hisorohana ny hiverenan’ny krizy ara-politika sy sosialy ary toekarena indray dia mandray ny hevitrin’ny hery velona rehetra ny FFKM.
Araka ny voalazan’ny Révérend Ranaivoarivelo Tahina izay tonian’ny FFKM ny alarobia faha 12 Jolay 2023 teo dia maro tamin’ny antoko mpomba ny fitondrana Andry Rajoelina no nandray anjara mavitrika tamin’ny fihaonambe natao tany amin’ny faritra. Eto Antananarivo koa dia mbola maro koa izy ireo. Midika izany fa eken’ny rehetra ny fanatanterahana ity fihaonambe ity. Ny faran’ny volana aogositra izao no fihaonambe nasionaly handraisana y fanampahan-kevitra amin’ny raharaham-pirenena izao
Marihina fa ny olona tsy mankasitraka ny hanatanterahana ny fifidianana no be dia be mivory miaraka amin’ny FFKM ity. Hita ao avokoa ny antoko mpanohitra rehetra. Mihamafana ny raharaha politika eto Madagasikara ka atahorana mafy ny hisian’ny fifandonana ara-politika tao ny taona 2001 sy 2009 ireny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top