Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Politika: Tsy mino azy intsony ny vahoaka

La gazette de la grande île
13/07/202329 second read

Raha maheno ny feo mandeha etsy sy eroa manerana an’i Madagasikara isika dia leo tanteraka ny fanjakana entin’i Andry Rajoelina ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Izany dia noho ny fahantrana mihoampampana misy ankehitriny. Resaka kobaka am-bava sisa no ataon’ny mpitondra. Lainga isan’andro no afafy sy omena ny vahoaka. Tsy voafehin’ny fitondrana koa ny fandriampahalemana. Potika ny toekarena ka zara raha miaina ny vola ariary.
Leo tanteraka izao fanjakana mpandainga izao ny vahoaka malagasy maro. Izao fahanginany vahoaka izao dia midika zavatra betsaka. Mampatahotra ny hoavy rahampitso. Tofoka amin’ny fitondran-dRajoelina ny malagasy ka tokony handinin-tena izy mba tsy ho tara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top