Amin’ny alahady faha 16 Jolay 2023 izao no hiresaka amin’ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny fahitalavitra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Amin’ny ankapobeny dia tsy taitra intsony ny malagasy. Misy ny milaza fa hiheno lainga indray isika satria dia tena kobaka am-bava no nataon’ity filoha ity hatramin’ny taona 2019 ka hatramin’izao. Aiza izao ny fanamboarana ny lalana Rn-13?Nambarany tamin ‘izany fa hiala tsy filohampirenena intsony aho raha tsy vita io. Dia mampihomehy ny zava-misy any ankehitriny fa kobaka am-bava no nataon’i Rajoelina sy ny fitondrany. Tsy izany ihany fa maro no fampanantenana nakaony mahakasika ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny faritra. 250km isan-taona no nilazana fa lalana tsy maintsy amboarina isakin ny faritra 23 eto Madagasikara. Tsy nahavita na 10 km ny bilidaozera napetraka isakin ny faritra tao anatin’ny efa-taona izay, simba am-pitoerana izy ireny nefa volam-bahoaka no nividianana azy. Potika tanteraka ny lalana manerana an’i Madagasikara. Dia hilaza inona indray izany amin’ny alahady io. Ohatra vitsivitsy amin’ny velirano 13 izay kobaka am-bava fotsiny io.
Mahakasika ny tsy fandriampahalemana dia tsy ilaina tantarana intsony fa malemy tanteraka ny fitondrana entin’ny filohampirenena Andry Nirina Rajoelina ity. Tsy mbola nisy fanaovana takalon’aina na kidnapping toa izao teto amin’ny firenana ity raha tsy izao fitondrana izaok. Ny asan-dahalo tsy tenenina intsony amin’ny faritra maro fa indrindra i Menabe, Melaky ary Bongolava sy Betsiboka iny.
Raha ny fiainana an-drenivohitra rehetra manerana an’i Madagasikara dia toa mahazatra ny fahatapahan’ny Jirama. Tsy ny jiro ihany fa hatramin ‘ny rano koa. Marikin’ ny fahantrana tanteraka sy ny tsy fahaizana mitondra ireo.
Tsy ho tenenina intsony ny mikasika ny fampianarana sy ny fahasalamana. Natao hoan’ ny manakarena sisa ny sekoly tsara eto Madagasikara sy fitsaboana amin’ny hopitaly manarampenitra. Ny filohampirenena moa tsy manana zanaka mianatra eto Madagasikara ka tsy miraharaha izay zana-bahoaka sahirana izany.
Tamin’ny fitondrana nentin’i Rajoelina ity no nanjakan’ny rongony maherivaika tonga teto Madagasikara ary niparitahan’izany manerana ny nosy. Potika ny tanora ary be no lasa adala. Tsy omby intsony ny hopitaly eny Anjanamasina. Zavadoza no mitranga.
Be dia be ny fahoriana nahazo ny malagasy nandritry ny dimy taona nitondrany izay. Inona indray no angano sy arira holazain’i Andry Rajoelina amin’ny alahady izao.
Andry Rajoelina : Hiheno angano sy arira indray amin’ny alahady
La gazette de la grande île
15/07/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313051
Your IP Address: 18.188.140.232
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »