Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Politika : Tsy maintsy ho kitihina ny lalampanorenana

La gazette de la grande île
18/07/202340 second read

Raha ny resaka eo amin’ny sehatra politika ankehitriny dia tsy maintsy hokitihina ihany ny lalampanorenana sy ny lalàm-pifidianana. Samy resy lahatra ny mpitondra sy ny mpanohitra ary ireo mpanaraka ny raharaham-pirenena fa lalana tsy maintsy hizorana ny fifampidinihana raha tiana ny tsy hisian’ny ady sy krizy politika indray eto Madagasikara ka tsy hiverenany rà mandriaka indray. Marina fa tsy mitovy ny hevitra eo amin’ny mpifanandrina roa tota saingy samy mino fa tsy azo tanterahina amin’izao zava misy eto amin’ny firenena izao ny fifidianana.
Azo lazaina fa mizotra any amin’ny hevitrin’ny FFKM ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ka tsy maintsy hisy ny fihaonambem-pirenena. Ny depiote sy ny senatera koa dia toa miomana amin’ny fivoriana tsy ara-potoana handinika ny hanamboarana ny lalàm-pifidianana. Mafana dia mafana ny raharaham-pirenena. Ny vahoaka ankilany tsy mihaino ny fanjakana intsony.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top