Tsy mahatsapa ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka malagasy ny fitondrana entin’i Andry Rajoelina ka mbola milaza fa ny vahoaka malagasy no hanolotra azy indray ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana amin’ny faha 9 Novambra 2023 izao. Mijaly tena mijaly ny malagasy ankehitriny. Tsy mbola misy fahantrana toa izao tamin’ny fitondrana teo aloha rehetra. Tsy tsapan’i Rajoelina sy ny mpomba azy izany. Ny hialany amin’ny fitondrana no fanirian’ny malagasy maro ankehitriny ankoatran’ny mpomba azy izay mahazo toerana. Heverin’izy ireo fa ny fanamboarana fotodrafitrasa no midika fa fandrosoana. Tsara ny nanao izany toa ny nataon’ny mpitondra rehetra nifandimby teo. Ary aoka hazava tsara fa kely tsy azo ampitahaina amin’ny vitan’i filoha Philibert Tsiranana sy ny Amiraly Didier Ratsiraka velively ireo zavatra vitany ireo raha atambatra. Tsy ampy ny ampahatelony ireny. Manana ny tahirin-kevitra izany ny mpikaroka sy ny mpahay tantara. Tsy miteny izy ireny fa nisafidy hangina fa mbola ho avy ny fotoana hamoahany ny antontan’isa tena izy. Tsy misy lainga na namboamboarina toa ny fanambarana nataony ny alahady teo ireny. Aza mihevitra ny malagasy ho vendrana na dondrona fa misy manampahaizana sy olomanga eto ary olon-kendry.
Tsy voafehin’ny Rajoelina intsony ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Porofo amin’izany ny ‘fuite de sujets « tamin’ny BACC 2023 io. Tsy izany ihany fa ny fahapotehana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Maevatanàna iny momba ny » kidnapping na ny takalon’aina. Tena malemy ny miaramila eo anatrehany. Fahalemena misy amin’ ny fanjakana ireny. Tsy tenenina intsony ny fahapotehan’ny lalana manerana an’i Madagasikara. Tsy lalana Ambilobe Vohemar no ireharehana nefa efa tany amin’ny taona 2000 no nahazoana azy izy io fa izao vao vita noho ny raharaha politika teto Madagasikara. Toa izany koa ny mahakasika ny lalana Ambatondrazaka Vodiala. Raha manaraka ny tantara teto Madagasikara isika dia mahalala izany tsara.
Leo izao fitondrana izao ny Malagasy. Ho ho hita amin’ny fifidianana izany toa ny nahazo an’i Rajaonarimampianina iny.
Politika : Mihapotika hatrany ny fiainam-bahoaka
La gazette de la grande île
20/07/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313054
Your IP Address: 18.117.71.213
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »