Tamin’ity volana jolay 2023 ity dia nahitana fitokonana maro tamin’ireo orinasa sy mpiasa ary fikambanana maromaro. Mbola mitohy ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny Cnaps izay miandraikitra ny karama sy ny ara-tsosialy sy ny fisotroan-drononon’ny mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina manerana an’i Madagasikara. Nitokona koa ny mpampianatra eny amin’ny oniversite izay tarihin’ny SECES. Tsy miasa fa mitokona koa ny mpiasa ao amin’ny kaominina izay miandraikitra ny fanariam-pako eto Analamanga nanomboka ny alakamisy teo satria tsy voalohan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny karamany nanomboka ny volana jona teo.
Manomboka mandrahona ny hitokona koa ny komity olimpika Malagasy amin’ny fomba anaovana ireo atleta malagasy handray anjara amin’ny lalaon’ny nosy amin’ny faran’ny volana aogositra izao nefa ny fikarakarana tsizarizary tanteraka. Matetika dia ahitana grevy isakin ny tanana eto Antananarivo nohon’ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano ao amin’ny Jirama.
Mikorontana tanteraka ny fiainam-bahoaka vokatr’izany. Sahirana ny zokiolona sy ny be antitra ary ny mpisotro ronono. Atahorana ny mety ho Fitroaran’ny vahoaka noho izany. Azo lazaina fa tsy fahafaliany amin’ny raharaham-pirenena koa no mahatonga ny FFKM mitarika fihaonambem-pirenena ity. Mahatsapa ny vahoaka fa tsy mety intsony izao fitondrana izao.