Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitantanan-draharaham-panjakana : Manjaka ny kiantrano an-trano

La gazette de la grande île
05/08/20232 minute read

Voatendry tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny alarobia lasa ny Tale Jeneralin’ny orinasa CNAPS, dia i Vimbina Rahaingonjatovo, izay nahabe resaka sahady indray ny momba azy. Saiky mpianakavy avokoa no voatendry amin’ireny toerana ambony ireny, ary manjaka ny kiantrano an-trano eny anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Porofon’izany, io tale jeneraly vaovao voatendry io dia tsy iza fa mbola rahalahin’i Nirina Rahaingonjatovo, izay sekretera mpanatanteraky ny « Unité de Gouvernance Digitale » eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana sy fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra, ary ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra. Fantatra koa fa io rahalahiny io dia manambady an-dRamatoa Anne Muriel izay talen’ny fiaraha-miasa ara-toe-karena ao amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra. Miharihary fa ataon’ity fitondrana ity laharam-pahamehana ny fanendrena miendrika kiantrano an-trano (nepotisme). Tsy ny fanendrena azy ireny no olana ambara etoana.
Ny fiheverena hoe angaha dia tsy misy manampahaizana mitovy lenta amin’izy ireny any ambadika any ka ny eo akaiky feno arina ihany no tovonana eto. Io fomba fanendrena olona toa io dia anisan’ny nanakianana mafy an-dRavalomanana, ka lasa tohivakana izany amin’ity fanjakana tarihan’i Andry Rajoelina ity. Mba diniho ihany ny fomba fanendrena olona eto fa tsy an’olom-bitsy i Madagasikara fa an’ny Malagasy ry mpitondra fanjakana. Manara-maso ireo manampahaizana izay miandry ny fahatsiarovan-tenan’ny filohampirenena eto amin’ity firenena iombonana ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top