Miha-maivan-danja isan’andro hatrany ny serasera avoakan’izao fitondram-panjakana hifarana afaka 36 andro androany izao, na ny serasera anatiny na ny ivelany. Dia ihomehezana sisa, hoy ny mpanara-baovao maro, ny hevitra nasongadina tamin’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 02 aogositra 2023. Lany fampitam-baovao tokoa ka ny foto-dian’ny filohampirenena lasa niatrika ny fivoriana ao Rwanda no nanombohana ny PARAGRAPHE ? voalohany sy natao sora-mainty matavy (gras) miavaka mihitsy. Maro ireo teny nisolifatra noho ny tsy fahakingan’ny saina ka ny kajy tany amin’ny kilasy ambany aza dia nodisoin’ny filohampirenena. Tsy ny filohampirenena ihany no voakasik’ izany fa na ny tompon’andraikitra sasany anatin’ny Andrimpanjakana, dia lasa fihomehezana avokoa . Ny vaovao nandrasan’ny maro dia ny filazana avy amin’ny seraseran’ny fitondram-panjakana tamin’io tatitra nivoaka io, ny amin’ny fahataperan’ny delestazy lavareny izay mampikolay ny vahoaka. Efa tapitra ilay telo herinandro, fetr’andro nampanantenain’ny filohampirenena ny vahoaka malagasy, sa dia lasa hiandry 5 taona indray ny vahoaka malagasy. Tsiahivina etoana koa ny sosialim-bahoaka, anisan’izany ny fanamorana ny vidim-piainana mbola midangana. Ny fanamboarana-dalana, asa na miandry fampielezan-kevitra koa vao hanomboka ny asa ? Tsy aleo ve mba mangina fa efa halam-bahoaka ê !
Seraseran’ny mpitondra fanjakana : Ihomehezana sisa
La gazette de la grande île
05/08/2023•58 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313039
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »