Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Kara-tany : Voa maika nampiady ny malagasy

La gazette de la grande île
16/08/20232 minute read

Kara-tany iray hetsy no tanjona napetrakin’ny fanjakana ho zaraina ao anatin’ny enim-bolana farany amin’ny taona 2023 ity. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny ministeran’ny fananan-tany izany ary ao anatin’ny tetika fanaovana propagandy ataon’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina koa.
Tsy araka ny nieritreretana azy nefa ny raharaha satria voa maika niteraka ady be any ambanivohitra indray. Miady ny mpianakavy satria tsy maintsy olona iray no misoratra ao anatin’ny Kara-tany iray. Ny tany izay hanaovana izany nefa tany itambaram-be ny fianakaviana na koa lova. Lasan’izay mipetraka eo an-tanana ny tany ka ireo tsy eo an-toerana dia lasa tsy manana. Lasa ady be ny Kara-tany noho izany ka niteraka adim-pianakaviana indray. Misy mihitsy no mifamono noho izany.
Ny ady manaraka indray dia ny mpiray tanana satria samy milaza ho tompony. Resaka tantara sy lalàna indray no infandroritana amin’izany. Mifampiantsy ary tonga hatrany amin’ny asan-dahalo ny resaka. Mifamono ny olona.
Miteraka olana vaovao eo amin’ny fiarahamonina ity raharaha ity amin’izao fotoana izao. Eo anivon’ny kaominina koa dia manao izay saim-pantany ny komity ny fandravonana ny ady satria maro no manaonao foana ary manampatra fahefana koa aza. Lasa resaka kolikoly indray no manjaka . Manome tsiny ny fitondrana ny ankamaroan’ny olona satria ratsy sy tsy mahomby ny tetik’ady. Misy ny kaominina izay voakasik’ity tetikasa ity no voatery tsy maintsy naato ny fanaovana Kara-tany faobe ity noho izany. Vahaolana no nandrasana nefa ady indray no naterany. Hitombo indray ny ady any amin’ny tribonaly noho izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top