Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Lalaon’ny Nosy : Tandrametaka tanteraka ny fanomanana

La gazette de la grande île
16/08/202347 second read

Hangala baraka indray ny firenena malagasy ity raharaha ity. Tandrametaka tanteraka ny fanomanana rehetra. Amin’ny fotoana izao ve mbola tsy vita ny fotodrafitrasa sasany hanaovana ny lalao. 8 andro sisa dia hanomboka ny lalao ity. Ny atleta malagasy amin’izay tsy ampy fanomanana satria tao anatin’ny volana aogositra ity vao afaka nanao fanazaran-tena mifandraika amin’ny takiana amin’ny lalao lehibe tao itony. Ny fahombiazana nefa dia mitaky fanomanana enim-bolana raha kely indrindra. Be dia be ny fitarainana ataon’izy ireo. Tena tandrametaka tanteraka no misy. Voalaza koa fa tsy ampy ny vola hikarakarana ity lalao ity hatramin’izao. Mijaly ny atleta saingy tsy afa manoatra. Tsy misy ataon’ny fitondrana Andry Rajoelina raha tsy mifamaly amin’ny olona izay milaza ny marina. Avadika tsy fitiavana ity fitondrana ity avokoa izay milaza ny marina rehetra ary anaovana fanambarana any amin’ny haino aman-jery . Potika hatrany amin’ny fanatanjahantena malagasy ankehitriny. Ny azo antoka dia hiady ny tsy ho gisitra i Madagasikara amin’izao lalaon’ny nosy 2023 izao. Mahamenatra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top