Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Jirama : Dia mbola nandainga indray Rajoelina

La gazette de la grande île
17/08/20232 minute read

Dia mbola nandainga tamin’ny vahoaka malagasy indray ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina tamin’ny fandaharana mivantana tao amin’ny fahitalavitra vitsivitsy herinandro vitsy lasa izay. Raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny delestazy tsy ankijanona sy mihamafy andro aman’alina manerana an’i Madagasikara. Tamin’izay indrindra no nilazany sy nanambarany ho ren-tany sy lanitra fa raha tsy mahita vaha olana amin’izany ny minisitr’i n’ny angovo dia hoesorina amin’ny toerany. Tapitra ny telo andro nomeny tamin’izany nefa dia mbola mijanona amin’ny toerana ihany ny minisitra ity.
Tena lainga mivantana tanteraka iny nataon’ny filoham-pirenena Andry NIRINA RAJOELINA iny. Inona no sazy tokony homena ny filohampirenena mandainga toa izany. Ny any amin’ny faritra manerana ny Madagasikara dia efa tsy delestazy intsony no iainana fa fanapahana jiro fotsiny izao. Programan ny jirama sy ny ministera mihitsy no misy.
Tena mandainga ny filohampirenena Andry Rajoelina ankehitriny amin’ny fanambarana iny.
Tsy ny delestazy ihany no nampandainga ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina fa zavatra maro be. Isan’ireo ny momba ny lalana maro. Aiza izao ny Rn13, ny fanamboarana lalana 250km isakin’ny faritra isan-taona? Nangina toa ny tsy nisy ny raharaha iny. Toa izany koa ny lalana mihantona etsy Anosizato. Maro tsy ho ary voatanisa intsony ny kobaka am-bava nampanantenaina teto amin’ny firenena ity. Ny « homme d’état » dia tsy mandainga toa izao. Mampalahelo i Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top