Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Papa François sy Andry Rajoelina : Tsy hitondra soa ho an’ny Malagasy

La gazette de la grande île
18/08/202358 second read

Nankalazaina izay tsy izy ny fihaonan’ny Papa François filohan’i Vatican sy ny eglizy katolika Romanina tamin’ny alakamisy faha 17 Aogositra 2023 teo tao Vatican sy Andry Rajoelina mianakavy.
Nambara tamin’ny haino aman-jery fa fitsidihana « privée » no ataon’ny filoham-pirenena malagasy Andry Nirina Rajoelina any amin’ny Papa François ity. Izany no antony nitondrany ny vady aman-janany. Nahagaga indray anefa fa nanaraka azy ny filohan’ny diplaomasia Malagasy ramatoa Yvette Sylla. Ny tena nahagaga dia ny fandefasana izany fihaonana izany koa tamin’ny haino aman-jery. Tamin’ny fomba ofisialy anefa no nandraisana tao Vatican ka nanajana ny arifenitra momba izany.
Eo ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara. Telo volana mahery sisa. Manao izay fomba rehetra handresena lahatra indray ny vahoaka malagasy izay nampijalian’ ny fanjakana Rajoelina tao anatin’ny 5 taona. Ny fisehoana toa ireny dia azo lazaina politika ho tanteraka hamitahana ny vahoaka malagasy indray toa ny fanaony mahazatra.
Tsy nitondra soa ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy iny fihaonana iny. Tsy nisy tombotsoa hoan’ny firenena malagasy izay latsaka ao anatin’ny fahantrana sy lavaka mangitsokitsoka. Dia tsy hahita izany ve i Papa François ka mbola hanohana an’i Andry Nirina Rajoelina ihany anefa ny vahoakan’Andriamanitra efa mijaly velona?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top