Tandrevaka ara-teknika raha ny nandraisana ny « Afo olympikan’ny lalaon’ny Nosy » notsenaina tany Antsiranana ny faran’ny herinandro teo. Izany dia vokatry ny tsy fahaiza-manao noho ny kitoatoa avy amin-dRakotozafy Rosa, Tale jeneralan’ny fanatanjahantena eo anivon’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Ny fitaovana nandraisana iny afo tamin’ny faran’ny herinandro iny dia tsy tomombana mialoha satria dia vao nampanamboarina teto Antananarivo araka ny loharanom-baovao tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, nikorapaka fatratra io Andrimpajakana io. Noentin’ny fiaramanidiana manokana ilay fitaovana nandraisana ny afon’ny lalaon’ny Nosy, izay mila voaomana mialoha izany. Ny nandeha nandray ny afo tany amin’ny Nosy Maorisy no nahamaika an-dRakotozafy Rosa. Ny ambin’ny fitaovana fandraisana io afo io dia mbola eo an-dalam-pandrafetana iny fitaovana hampitana ny afo ho an’ireo faritra samihafa toa an’i Toliara, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga ary hifarana eto Antananarivo, hoy ny loharananom-baovao hatrany. Misy pitsopitsony mila hajaina ny fomba fitondrana io afo io fa tsy hoentina toy ny afo am-patapera akory. Na ny singa fampiasa amin’io aza dia misy singa maromaro no afangaro amin’ny fomba fitehirizana io afo io raha niala tany amin’ny Nosy Maorisy ka hatrany Antsiranana mandram-pahatonga eto Antananarivo. Tsy vitan’izany fa na ny filohampirenena koa aza dia tokony nanaja ny fomba fandraisana ny afo, satria misy ny arofenitra izay mila narahana araka ny fanazavana azo. Iny afo nivoaka ny fiaramanidina izay nigadona iny no afaka nandraisan’ny filohampirenena , ary raisin’ny Ben’ny tanàna ary ampitainy amin’ilay atleta voafantina manaraka ny laharan’ny fenitra napetraka ka mampita izany ao amin’ny fitaovana fitehirizana izany tao Antsiranana. Tsy izay no zava –nitranga fa dia noraisin’ny filohampirenena ny afo niaraka tamin’ilay atleta voafantina ka niara-nampita ny afo izy ireo. Asa na hisy fiatraikany amin’ny ho fandresentsika na tsia ny fandikana ny lalàna mifehy ny lalaon’ny Nosy izany?
Rosa Rakotozafy : Manao kitoatoa
La gazette de la grande île
18/08/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313031
Your IP Address: 18.227.0.57
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »