Ankatoky ny fanomanana ny fifidianana filohampirenena handeha amin’ny 9 novambra 2023 ny eto amin’ny firenena, raha 28 ny lisitr’ireo kandida ho filohampirenena nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana ny alarobia lasa teo tetsy amin’ny HCC Ambohidahy. Mandrebireby sain’ny mpanara-dia, ary ny saim-bahoaka ny kandida Masy Goulamally sy ny kandida Rasolofonoromanana Julia Mickaelle, notohanan-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Tsy niandry andro maraina iry voalohany, nitsoaka an-daharana , ary nisintona ny antontan-taratasiny. Nanara-dia azy koa ny faharoa, nanambara hoe tsy ampy ny antontan-taratasy narotsaka tao amin’ny HCC. Tsapa fa hanohana ny filoha Rajoelina no anton’izany araka ny tomban’ny olompirenena.
Tahotra ny an’ireo kandida roa ireo. Koa rehefa azony antoka fa nilatsaka ny filohampirenena ankehitriny tamin’ny ora farany dia niova hevitra avy hatrany. Ahoana no ahazahoana antoka ny fampandrosoana ny firenena raha atao omeko tsy omeko toy izao ny fiainam-pirenena imason’ny vahoaka hifidy?,
Fiainam –pirenena , fiainam-bahoaka ny fanomanana ny fifidianana. Fialana andraikitra eto amin’ny firenena ny paik’ady fihemorana tahaka izao. Niandry ny firotsahan’ny filoha ankehitriny vao nanao fihetsika kanosa toy izao. Ny vahoaka malagasy koa tokony hahay hamaritra mazava ny safidiny rehefa tonga ny fandatsaham-bato amin’ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena. Miseho lany sahady ny afitsok’ireto kandida ho filohampirenena nitsoaka an-daharana ireto. Mety hisy kandida hanao fanambarana koa aoriana kely. Andron’ny mangaraharaha izao, koa aza mandrebireby saim-bahoaka eto, hifototra amin’ny fotoana tsy ampoizina io hatezeram-bahoaka io.