Adi-hevitra tsy azo dinganina ny momba ny fizakana zom-pirenena frantsay nataon’ny filoha amperin’asa. Ankehitriny dia mbola baraingo ny fanapaha-kevitra farany hiseho atsy ho atsy, ka hoy ny mpanohitra sy ny olompirenena sasany hoe « aza mbola misioka raha tsy mbola tafavoaka ny ala ry TGV, MAPAR, IRK IRD … ». Niteha-tratra ny mpanara-dia sasany, ao koa ireo tsy afa-po vokatry ny filatsahany , dia ireo kandida mpanohitra sy ny mpomba izany. Azo ambara ho toy ny vono lolo ihany raha ny nahitana ny fahatongavan’ny mpikambana teo anivon’ireo fikambanana manohana ny filoha Rajoelina ireo tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina Mahamasina . Na ity filoha ity aza dia efa ataon’ny mpanara-baovao hoe toy ny tsy mitombina amin’ny raharaha politika intsony ny sainy satria zary lasa miteniteny fahatany isaky ny misy ny famoriam-bahoaka atao. Lasa tora-po sisa ny fanehoan-kevitra hoentina andresen-dahatra hatreto. Toa tsy menatra akory ireo ireo fikambanana mpanohana ny filoha ankehitriny ireo, misy koa ireo manampahaizana akaiky azy fa dia mitehaka noho ny hadalany hatrany , kanefa dia filohampirenen’i Madagasikara. Tongava saina ry vahoaka Malagasy, aoka tsy andrasana ho diso sioka ny safidy mandritra ny dimy taona manaraka.