Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Politique

HCC: Tompon’ny teny farany

La gazette de la grande île
09/09/202333 second read

Araka ny didim-panjakana, dia hamoaka ny anaran’ireo lisitry ny kandida ho filohampirenena ireo amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 9 septambra 2023 izao ny HCC na ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tarihan’ny filohany Florent Rakotoarisoa. Ireo mpitsara sivy mianadahy mandrafitra ny HCC dia ho tompon’ny teny farany manomboka eo. Mitodika tanteraka eny Ambohidahy ny mason’ireo kandida sisa 25 nametraka ny antontan-taratasy ahafahana mandray anjara amin’ny fifidianana .
Manaraka izany, ho fantatra amin’ny alatsinainy 11 septambra 2023 koa ny laharan’ireo kandida hisoratra anaty bileta tokana izay hotontosain’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana amin’ny alalan’ny an-tsapaka an-karihary eny amin’ny foibe CENI Alarobia.

 

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top