Vesaran’ny fampahantrana lalina ny fiainana andavanandron’ny malagasy isan-tokantrano . Ny mpanao politika, na mpanohatra na mpomba ny mpitondra fanjakana mijoro na teo aloha na ny ankehitriny, ny hery vahiny na ny firaisamonim-pirenena , indrindra ny FFKM dia anisan’ny mahatonga ny disadisa politika, ary mamotika ity firenena ity. Satria nahoana ? Tsy misy hazo-damosina avokoa izay filohampirenena mahazo fahefana hatramin’izay. Manampy trotraka ireo ny tandapa voafidy miara-miasa aminy. Manidy varavarana tsyahafahan’ny sasany hitondra ny birikiny ho amin’ny lafiny fampandrosoana rehetra. Misy hatrany aza ny manipy hoditr’akondro samihafa entina hamelezana ny hafa. Ny tandapa sasany indray dia mila anditra (ranon-dranony) amin’ny fomba mihaja mba hisitrahana ny tombotsoa izay mitondra mankany amin’ny tombotsoa miiba. Tsy ny vahoaka malagasy no voalohan-daharana fa ny fiainany manokana sy ny manodidina azy. Miteraka kiantranoantrano sy fivadiham-pitokisana izany.Tonga ny lonilony politika isan-tsehatra. Gaga ve isika raha tsy misitraka ny fandriampahalemana ny vahoaka eto amintsika? Ny mpanohatra dia mamosaka ny hevitra bontolo. Manoritra ny hafa amin’ny halako bika tsy tiako tarehy hatrany.
Amin’ireo kandida 13 hilatsaka ho filohampirenena izay maniry hitondra ny tany sy ny firenena ohatra dia ahitana soritra izany, indrindra ireo olompirenena mpanara-dia azy. Tsy ao intsony fanabeazana ny olompirenana sy ny fanajana ilay soatoavina maha Malagasy. Toa lasa mihinana amam-bolony hatrany ny rehetra. Misehatra amin’izany ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy, indrindra rehefa mitranga io disadisa politika io, toy izao diavintsika amin’izao fotoana. Ny firaisamonim-pirenena misy eto amintsika dia tsy afa-bela amin’io fanabeazana ny olompirenena io. Rehefa misy ny tombotsoa manokana ho azon’ireo, dia mitonona fa firaisamonimpirenena dia mivoaka amin’ny fahanginana, ary dia miara mamoaka fanambarana iombonana avy hatrany.
Raha mahatsapa ny adidy iantsorohany koa ny firaisamonimpirenena eto amintsika hatrizay, na inona firehana na inona fifanoheran-kevitra momba ny disadisa politika eto amin’ny firenena dia tsy ho potika toy izao ny fiainam-pirenena. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny vahoala Malagasy tsy an-kanavaka ny FFKM sy ny firaisamonimpirenena, samy mpanabe. Mila apetraka ny tandro hasina (etika) ho famahana io disadisa politika io, izay miendrika boribory vetaveta tsy mety mifarana mandavataona.
Very jery ny olompirenena, ny ray amandreny am-panahy sy ny mpanabe rehetra dia atao handamina kanefa mivaona ny foto-kevi-dehibe amin’ny fanaovana politika maloto eto hatrany. Mitondra korontana tsy hampisy fitoniana sy fandriampahalemana mandrakariva izany.
Very ny hasina sy ny soatoavina napetraky ny Ntaolo malagasy. Sady mihamirefarefa ny fotom-pisainana no mihapotika ny firenena. Koa aza atao mahagaga raha mora voavidy hatrany ny safidim-bahoaka izay hiatrika fifidianana samihafa vokatr’io disadisa politika io.