Niparitaka teto an-toerana nanomboka ny zoma teo ny vaovao fa natsahatra ny fanontana ny biletam-pifidianana ( bulletin unique) ho amin’ny fifidianana filohampirenena eto Madagasikara. Ny antony dia hoe tsy nanaiky ny hanome vola hoenti-manana izany ny Vondrona Eropeana. Ny sabotsy hariva ihany dia nahazo vaovao avy amin’ilay trano fanontana printy any Afrika Atsimo izay manatanteraka io tetikasa io izahay niaraka amin’ny sary ( vidéo) mampiseho ny firosoan’ny asa. Hatramin’ny omaly hariva dia efa hananika ny roa tapitrisa ny voatonta satria mahavitra iray tapitrisa isan’andro ilay milina fanontana printy. Hanomboka anio alahady kosa, raha ny re, dia hanampy milina iray hafa izay mahavita iray tapitrisa ihany koa ity trano mpanonta printy ity ka ho tafakatra roa tapitrisa isan’andro izany no ho vita. Midika izany fa amin’io herinandro ho avy io dia ho vita ny biletam-pifidianana miteraka resa-be eto. Manambara koa izany fa sady tsy nisy ny fitsaharan’ny fanontana printy no mizotra ny fanatanterahana izay nifanarahana. Ny Mpampaka-teninin’ny CENI, Soava Andriamarotafika, dia nanipika raha nanontanianay fa « tsy ny Vondrona Eraopeana no miantoka ny vola hanontana ny printy ny biletam-pifidianana fa ny kitapo iombonana (basket fund) izay tantanin’ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny PNUD.
Biletam-pifidianana: Mizotra tsara ny fanontana
La gazette de la grande île
17/09/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312927
Your IP Address: 3.138.122.90
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »