Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fisamborana an-dRandriatsotsy Sylvia Niahotra ny zandary

La gazette de la grande île
17/09/20232 minute read

Sady mandrora mitsilany ny tafika no mamato-tena ara-kevitra ihany manoloana ny fisamborana an-dRandriatsotsy Sylvia na Foutsie Tsotsy ny alin’ny zoma alina teny amin’ny zandarimaria Fiadanana. Zanaky ny Me Randriantsotsy Fulgence izay efa nodimandry, avy any Vohipeno izy. An-kitsim-po no ilazana etoana fa toa niahotra ny mpitandro filaminana raha ny fisamborana no navadika ho fampiantsoana azy. Anenjehana an’i Foutsie Tsoutsy dia ny fiantsoana fikomiana (Incitation à la révolte) navoakany tamin’ny pejy facebook-ny hoy ny zandary nanao fanadihadiana omaly sabotsy.
Raha tsiahivina ny fizotran’ny fivoriana notanterahana farany , izay nataon’ny filoha teo aloha niaraka tamin’ny mpikambana amin’ ny governemanta teny Mavoloha, dia niditra an-tsehatra, ary nanao fihantsiana imaso ny tafika ka niloa-bava hoe «  horaisinay ity fahefana ity rehefa tsy hainareo ny mitondra azy…. » . Nahoana raha nampiantsoana na nosamborina avy hatrany ireo tafika tao Mavoloha tamin’io fotoana io ? Mampaneno lakolosy isan’andro amin’ ny tsy fahaiza-mitantana , ny tsy mety ataon’ny olom-boatendry sy ny olom-baofidy ary ny mpitondra fanjakana, ny tery vay manta mitranga ataon’ny mpomba ny fitondrana , eo koa ny fahorian’ny vahoaka tsy mandady harona , ny paika maloto ataon’ireo tsy maty manota . Marihana fa tsy Randriantsotsy na Foutsie Tsotsy ihany no mpampaneno lakolosy anaty tamban-jotra isan’andro. Manara-maso ny rehetra.

 

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top