Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Mpanohana an-dRajoelina: Mandrovin-tsihy amin’ny serasera

La gazette de la grande île
17/09/20232 minute read

Tafahoatra ny fihantsiana ataon’ireo mpomba an-dRajoelina, filohampirenena teo aloha nametra-pialana. Efa miantomboka ny hevitra mandrovi-tsihy eny amin’ny haino vaky jery, ny tamban-jotra sosialy. Heverin’ireo mpomba an-dRajoelina hoe mbola am-pelatanan-dry zareo ny fahefana feno. Toy ny kofehy manara-panjaitra sisa no azo andikana ny serasera misy. Toa miendrika fanambaniana mihitsy aza ny teny aloaky ny vavan’ireo mpiara-dia, toa an-dRaholidina solombavambahoaka. Kodiaran-tsarety ny fanaovana politika teto nandritra ny taona nifandimby. Tsy misy ny hitoetra mandrakizay eo amin’io seza io na iza na iza, eny fa na ny Amiraly Ratsiraka aza dia niala teo ihany rehefa nisy ny hetsi-bahoaka mahery vaika tamin’ny fotoan’andro.
Ry Rinah Rakotomanga indray dia mifanandrina amin’ireo tondroina fa misy ireo mpampiasa facebook « 6 % des Imbéciles », ary mbola mankahery ny foto-pisainany hoe hiverina mora eto ny kandida Rajoelina. Ny hevitra aroson’ny ankamaroan’ireo « 6 % des Imbéciles » ihany anefa no nandraisan’ny mpitondra fanjakana na ny minisitra isan-tsokajiny fanapahan-kevitra hanatsarana ny fitantanana misy. Ohatra, niparitaka tao anaty tambajotra sosialy omaly ny hoe «  esory avokoa ny sarin-dRajoelina any amin’ny toeram-piasana rehetra any ». Dia nikoropaka ny tao amin’ny governemanta mpiara-mitantana namoaka io fanambarana io, sanatria fanambarana hosoka ve ? sady tsy misy anarana no tsy ahitana fitomboka akory. Nahoana raha nosoratana teo ambanin’io fanambarana io ny hoe governemanta mpiara-mitantana, ohatra . Samy tsy te ho tompon’antoka sahady ve hoy ny mpanara-baovao maro. Voalaza anaty fanambarana ny hoe miandry ny voka-pifidianana vao afaka esorina ny sarin-dRajoelina ary voarara ny lalàna izany.


Kodiaran-tsarety ny filalaovana politika eto amin’ny firenena. Misy amin’ireo mpomba an-dRajoelina sasantsasany, fahita matetika eny amin’ny haino vaky jery no zary efa miteniteny fahatany, ireo maneho hevitra anaty tamban-jotra koa. Efa zary tsy asian’ny mpanao tambajotra hasina intsony ry zareo. Nahoana raha mba misafidy olona toa an-dRafolisisoa Hanitra indray na ny hafa koa, satria efa tsy mandaitra any an-tsain’ny olompirenena intsony ny hevitra mivoy fihantsiana sy mandrovin-tsihy ambadika voizin’ireo mpomba an-dRajoelina.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top