Ho tambin’ny fahafahana ara-panenjehana atao amin-dRasoamaharo Lola , sy Mahery Lanto Manandafy ary Foutsie Tsosy eny amin’ny fitsarana , dia re fa noterena hifona sy handohalika ry zareo, araka ny baiko midina hatrany. Koa satria tsy nanatanteraka izany dia nampidirina am-ponja no heverin’ny mitana ny fahefana ho sahaza azy ireo. Atao lazon’ady mihitsy, amin’izay fotoana izay dia ho maty momoka na halemy ny fahefana eo am-pelatanana, fa indrindra ny ara-pahasalamana. Katsahin’ireo mpibaiko , dia tsy iza fa i Mamy Ravatomanga, hanerena an’ireo olona ireo handohalika ny hibaribarian’ny tahotra eo amin’ny malagasy tsirairay fa « tsy misomonga i mamy ravatomanga ka tsy maintsy milefitra eo anoloany ».
Vakiana bantsilana koa fa misy dian-tanan-dRavatomanga ny fahefam-pitsarana eto amintsika, mba tsy hitenenana hoe eo ambany gejan-dRavatomanga Mamy ny Fitsarana malagasy. Na ny fitsarana an’i Lola Rasoamaharo aza hatramin’izao dia tsy hita fototra hoe mby hatraiza ary aiza ho aiza ny tohin’ny raharaha sy ny didim-pitsarana farany? Mibaribary ny hafetsen’ Ingahy Ravatomanga Mamy satria dia ny anaran-dRajoelina hatrany no ataony fiadiana ho azy ka tsy ho voahoso-potaka mihitsy ny anarana Mamy Ravatomanga na aiza aleha na inona ambara na ahoana ny atao.
Lola Rasoamaharo, Mahery Lanto Manandafy, Foutsie Tsosy: Sady tsy nandohalika no tsy nifona
La gazette de la grande île
19/09/2023•58 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312928
Your IP Address: 3.145.97.235
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »