Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ry Malagasy,  Mpiray tanindrazana,

La gazette de la grande île
20/09/20232 minute read

Izay mbola mino an’Andriamanitra Tsitoha, ry Rayamandreny ampanahy, ianareo hery velona rehetra,

 Mifohaza amin’izay ary hampiaro ny soratra masina ao amin,ny Epistolan’i Md. Paoly Ho An’ny Efeziana toky 3, andininy 14: 

Izany no nanoratana hoe: Mifohaza hianao izay matory, ary mitsangàna amin’ny maty, dia hanazava anao ny Kristy” 

Tafahitsoka lalina ao anaty fahalovana sy fahantrana ny Vahoakan’ Andriamanitra malagasy noho ny asan’ ny devoly. Tsy voahaja  ny lalanampanorenana  ary lalana izay tokony handrafitra rafipiaramonina milamina tsy lavorary toy ny lalampifidianana izay mampisavorivoro.

Raha tsy misy fifohazantsika rehetra ho an’ny fahatsiarovan-tena iombonana dia tsy ho afaka hiaina am-pilaminana mihitsy ny vahoakan’ Andriamanitra Malagasy ary tsy afaka hifantoka ny fotoanany amin’ny asa fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny Fireneny mihitsy

 Resin’ny fampanantenana sy ny herin’ny maizina ny Malagasy .ka voarebirebin’ny tolotolotra madinidinika  hanampenana ny masom-panahiny izay tsy mahavita toana aza akory

Ry Malagasy,  Mpiray tanindrazana, izay mbola mino an’Andriamanitra Tsitoha. Fotoana tokony hifohazana izao sy hihainonana ny feon’ny fieritreretany . Ry Malagasy,  henoy sy  hampiaro ny tenin’ny soratra masina ao amin’ny Epistolan’i Md. Paoly Ho An’ny Romana toko 13 Andininy  11: “Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino “ sy ny Epistola Voalohan’i Md. Paoly Ho An’ny Korintiana 1  toko 15 andiny 4 : “Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an’Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany”.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top