Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ntsay Christian: Hilatsaka filohampirenena

La gazette de la grande île
22/09/20232 minute read

Miparitaka ny paik’ady maloto samihafa soritan’i Ntsay Christian sy ny mpiara-dia aminy. Fantatra fa mivonona hitondra ny tetezamita mandritra ny herintaona sy tapany izy, araka ny kajy apetrany, ary ny tanjony amin’izany dia ny hilatsahany ho filohampirenena aorian’io. Raha izy tenany irery , hoy ny mpanao politika naneho hevitra, dia tsy afaka ny hampanjary izany tetika maloto izany. Misy ireo manosika mafy an’ity praiminisitra tsy maty manota ity ho tonga amin’izany, izay tsy inona fa dia ny mbola fiarovana tombotsoa manokana ihany.
Latsa-bava ny mpanao politika sasany manao hoe « tena lalaovin-dry zalahy eto mihitsy isika », dia tsy iza fa ny praiminisitra Ntsay Christian sy Mamy Ravatomanga ary ny tandapa mpomba an-dRajoelina. Ny ahiana koa, hoy hatrany izy ireo dia ny ho fitsimbadihan’ireo mpomba ireo ka hiray tsikombakomba amin’ny tsy famelana an-dRajoelina hiverina eto Madagasikara intsony. Heverina koa fa misy dian-tanan’i LaFrantsa izany tetika sy paika maloto izany.
Antsoina hoe tsy maty manota ity praiminitra ity. Toa giazany toy ny nitantanana ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany , ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny tsy nandavany ny fanendrena azy praiminisitra hatramin’ny ora farany izany.
Raha tsiahivina dia efa voadinika teny amin’ny HCC avokoa izao dinika sy ny paika hahatongavana amin’ny ho fitondrany ny tany sy ny firenena izao . Tetika hitondra ny tetezamita katsahan’ny mpanao politika sasany. Eo koa ny lalan-jotra efa voavolavola amin’izy hilatsaka filoham-pirenena. Ny rindrina manan-tsofina ka aoka tsy hatao tompon-trano mihono ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena eto. Sa dia mora ampiesonina toa an-dRajoelina ny rehetra ?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top