Amidy vola tsy toko tsy forohana ny fametrahana ny tandro hasina eo amin’ny tontolo ara-politika eto amin’ny firenena ankehitriny. Porofon’izany, ny fahitana ireo mpamadika palitao maro be nanohitra ny fitondran-dRajoelina, teo koa ny antoko tsy miankina sasany, teny amin’ny CCI Ivato ny zoma 22 septambra 2023, izay tonga nanatrika ny fihaonamben’ny vondrombe mpanohana an’i Andry Rajoelina na ny « UPAR ». Ny tandro hasina (Ethique) dia manaja ny atao hoe soatoavina ara-politika , izay mahavery hasina ny firenena raha hosihosena am-paladia , indrindra ny fiandrianam-pirenena. Isan’ny voatonona matetika ny anaran-dRavatomanga, sy ireo mpanao politika tsy manana io tandro hasina io. Voataiza ara-poto-kevitra ny tena mpanao politika hoy ireo ray aman-dreny sasantsasany ka na hotolorana vola mandifotra azy aza , tsy handray izany mihitsy. Izany dia mariky ny fitiavan-tanindrazana ka na hisy fanapahan-doha aza dia mitana ny foto-kevitra hatramin’ny farany toy ireo mpitolona niady ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
Tadidio hoy ry zareo ny endrik’ingahy Ravatomanga Mamy, raha nivahiny tamin’ny fandaharana fahitalavitra tsy miankina iray. Tena nanana fahavononana izy amin’ny fampandaniana an-dRajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 ho avy izao. Voamarina tamin’ireo mpanao politika teny amin’ny CCI Ivato izany. Raisina ohatra amin’izany fa nisy ny fifanarahana ambadika tea amin-dRavatomanga sy Rabary Paul sy ry Riana Andriamandavy VII ary ny depiote an’ Ambovombe, Milavonjy izay tao amin’ny antoko HVM. Ry Maharante Jean de Dieu izany, vao tsy nifanaraka tamin’ny foto-keviny dia nanangana izany Mapar 1 sy 2. Noenjehina noho ny fanodinkodinam-bola amina miliara izy, ary noenjehin’ny lalàna ka ny Fitsarana avo no mahefa hitsara azy. Ankehitriny , dia sahy miseho masoandro teny Ivato ny tenany . Milaza ve fa efa voatsara ka madio sy milamina ity minisitra teo aloha ity ? Tsy i Maharante Jean de Dieu ity ihany no manana antom-pitsarana tokony hosokafana fa ambara hoe tsy maty manota eto. Na ny vahoaka malagasy aza dia manana olana ara-pitsarana momba ny fananan-tany, ny tsy fahandriampahalemana mahatonga ny tsindry ara-pitsarana sy ny maro tsy voatanisa. Dia ho gaga ve isika ry vahoaka malagasy raha toy izao ny fiainam-pirenena eto Madagasikara ?