Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Politika : Mitaky fifampidinihin’ny hery rehetra ny Mpanjaka alohan’ny fifidianana

La gazette de la grande île
24/09/202337 second read

Eo anatrehan’ny fihenjanan’ny hery roa politika misy ankehitriny, dia ny mpomba an’i Andry Rajoelina ankilany, ary ny kandidà 12 hafa izay hifaninana amin’ny fifidianana izay hatao ny 9 novambra 2023 izao dia nilaza ny heviny ireo ray aman-dreny ara-drazana izay nivory tany Toliara nanomboka ny alatsinainy faha 18 Septambra 2023 teo ka hatramin’ny zoma faha 22 Septambra.
Tapaka tamin’izany fa ny fihaonana an-databatra boribory izay hataon’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena alohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana ihany no vaha olana .
Tandindonin-doza ny firenena ankehitriny ka mba hisorohana izany dia ny fifampiresahana ihany aloha no vaha olana amin’ny raharaham-pirenena izao.
Ray aman-dreny ara-drazana miisa 400 mahery no nandray anjara tamin’ny fihaonana ity avy amin’ny lafy valon’ny Nosy izay nahita Mpanjaka, Tangalamena Sojabe, mpitazokazomanga ary fikambanana mandala ny Hasina sy ny fomban-drazana marobe.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top