Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana : Ny vola ihany no mbola mibaiko

La gazette de la grande île
26/09/202359 second read

Miandrandra fizaram-bola ny vahoaka mahantra. Miandrandra vola hitobaka ho zaraina ny ankamaroan’ny malagasy amin’izao fotoana izao. Raha misy olona roa na telo miresaka ny raharaham-pifidiana ankehitriny dia mifanontany mahakasika izay kandidà afaka mizara vola no betsaka. Ny fahitana ny famoriana olona etsy sy eroa ataon’ny kandidà dia midika avy hatrany fa misy vola zaraina any hoany. Ny fahitan’ny olona ny an’i Pety, Andriamandavy Vll, Mamibe, Paul Rabary izay nanohana tampoka ny filoha teo aloha Andry Rajoelina dia midika fa resaka vola no antony. Tsy misy afa tsy izay no nibaiko azy ireo.
Ankilany indray dia miandry ny anjara vola manandrify azy koa ny sarambabem-bahoaka. Mivorivory sy mifanontany izay kandida afaka mizara vola. Izany no resaka malaza izao hatrany ambanivohitra lavitra any.
Tonga amin’ny fotoana fizaram-bola maimaim-poana ny firenena ankehitriny. Vokatr’izany dia ny vola no hampanjakana eto Madagasikara ka izay kandida afaka mizara vola be indrindra no ho voafidy eo. Dia tsy hisy fiovana foana ny raharaham-pirenena fa ny omaly ihany no mbola hiverina rampitso. Mbola ho ratsy lavitra noho izao zava-misy izao ny fiainan’ny malagasy.
Tanteraka ny tanjona kendren’ny mpanao politika maloto. Ampahantrana dia ampijaliana dia tambazana vola avy eo dia tsy afaka misaina sy mieritreritra intsony

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top