Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tsy hisy mihitsy ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara raha mbola tsy misy ny rariny sy ny fitovian-jo ary ny fanajana ny hasin’ny Malagasy tsirairay

La gazette de la grande île
26/09/202354 second read

Tsy hisy mihitsy ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara raha mbola tsy misy ny rariny sy ny fitovian-jo ary ny fanajana ny hasin’ny Malagasy tsirairay. Mendrika ny hanana sy hahita fiadanana ny Malagasy tsirairay.
Noho izany dia tokony hatomboka amin’ ny teny hifampierahana ny zavatra ho totosana hoan’ny hoavy ny Malagasy, izay tsy maintsy miafara amin’ ny fanaovana ny fifidianana madio, lavitrin’ ny osoka sy alam-bato.
Raha hanatanteraka fifidiana dia tokony mianga amin’ny fijerena sy ny fanitsiana ireo lafin-javatra tsy mety rehetra izay mametra ny fanantanterahana fifidianana madio, mangarahara sy tsy miangatra ary ekenin’ny rehetra; anisan’ireo zavatra tsy mety ohatra ny fanendrena ireo olona akaiky ny fahefana misy amin’izao fotoana izao eo anivon’ny gouvernemanta, ny CENI sy ny HCC., ny tsy fisian’ny fanatsarana ny lalàna momba ny fifidianana izay mandringa, ny tsy fisian’ny rafi-pitantanana ny haino aman-jery mahaleo tena, ny tsy fisian’ny fetra ary ny fanaraha-maso mahomby ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra ara-politika.
Ny fanaovana fifidianana malalaka sy tsy miangatra miaraka amin’ny fahamendrehana ara-politika ihany no hitondra ny fandriam-pahalemana ho any ny Malagasy tsirairay.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top