Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fiainam-pirenena : Miroso mankany amin’ny krizy sosialy sy politika

La gazette de la grande île
28/09/20232 minute read

Tonga eto Madagasikara nanomboka tamin’ny talata faha 26 Septambra 2023 ny solotenan’ny firenena mikambana notarihan’ilay Gabonianina Parfait Onanga Anyanga, izay nisolotena ny sekretera jeneraly. Manampahaizana manokana momba ny olana politika aty Afrika ity olona ity sy ireo mpiara-dia aminy. Avy hatrany dia nihaona tamin’ny FFKM izy ireo. Mazava ho azy fa ny momba ny raharaha politika izay mihenjana mafy dia mafy amin’izao fotoana fohy alohan’ny fifidianana izao no diany. Tsy mbola nisy nipika ny dinika tamin’izany. Fihaonana maromaro no voalaza fa hataon’ny delegasiona ity amin’ny mpisehatra roa tonta mifanohitra ankehitriny.
Ara-tsosialy indray dia nidina an-dalambe ny mponina teny Mahavoky Besarety ny alarobia teo. Tapaka nandritra ny ora enina mahery ny fifamoivoizana teny amin’ny faritra iny. Resaka toeram-pivarotana sy fipetrahana fiarakodia no anton’ny fitokonanana.
Fa eny amin’ny kaominina Ialasora indray dia tezitra mafy ny mponina satria tapaka efa ho enina andro izay ny rano. Tafakatra 1500ar ny bidon iray 20 litatra. Atahorana mafy ny fitokonana eny.
Mahakasika ny mpiasa indray dia isan’ny nanaitra ny maro ny fitakiana nataon ‘ny sendikan’ny polisim-pirenena teto Antananarivo momba ny fitantanana misy ankehitriny ao amin’ny Ministera ity. Be bia be ny zavatra tsy manaraka ny lalàna velona ataon’ny minisitra hoy izy ireo.
Nampitandrina ny minisitrin’ ny Atitany koa ireo administrateur civil momba ny fitanilana amin’ny kandidà Andry Rajoelina.
Tsy tenenina intsony ny kidnapping izay mahazo vahana manerana ny nosy. Toa izany koa ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana koa ary ny fidangan’ny vidim-piainana.
Raha tsorina dia miroso any amin’ny krizy indray i Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top